Ezaka maro sosona no apetraka hampivelarana ny sehatry ny fiompiana sy fambolena ato anatin`ny distrikan`i Mandritsara. Fampitomboana ny voka-bary sy fanatsaranany kalitaom-pamokarana, eo koa ny fananganana fotodrafitrasa mifanaraka amin`ny fambokena sy fiomoiana izay. Tanjona ny hanintonana ny mpamatsy vola miara-miasa amin`ny fanjakana foibe. Eo amin`ny sehatry ny fambolena ohatra dia isany hisitraka fandaharan`asa Riz Plus ny distrikan`i Mandritsara ka hametrahana toha-drano mamatsy tanim-bary ny kaominina ambanivohitra Tsarajomoka sy Antsirabe Centre.
Omena tohana amin`ny masomboly kosa ny tantsaha mba ahafahany mampivelatra ny efa ananany. Nivoitra ireo rehetra ireo tamin`ny fandalovan`ny Minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana πΊπππππ π―ππππππππ, sady mpiahy ny faritra Sofia.
β¦Eo amin`ny fiompiana ihany koa dia anaovana ezaka ny hanarenana ny fotodrafitrasa famonoana omby eto Mandritsara. Havaozina araka izany ny « abattoirΒ Β» ka atao manarapenitra. Nandrisika ny fanjakana habao izany ny fahitana fa distrika midadasika i Mandritsara ary faritra faharoa eto Madagasikara amin`ny fisian`ny omby kosa ny faritra Sofia.
Ankoatra izay, hitondra ny hafatra indrindra ny hetahetan`ny vahoaka aty Mandritsara ny Minisitra amin`ny maha mpiahy faritra Sofia azy; isan`izany ny olan`ny rano, tsy fisian`ny lehiben`ny distrika, fotodrafitrasa. Nitsidika ny renivovitr`Androna moa minisitra ity omaly zoma 22 novambra 2024 na nahafantarana ireo rehetra ireo.
Nantrona ny fahatongavany ny solombavambahoaka roa lahy voafidy tato anatin`ny distrikan`i Mandritsara, ary ireo solontenam-panjakana isantokony misy eto an-toerana.