Fanamarihana ny fahatsiarovana ny 29 Martsa 1947 teto amin’ny Distrikan’Andilamena.

262 0
Ho fahamarihana ny fahatsiarovana ny faha 78 taona ny tolo- panafahana tao amin’ny Distrikan’Andilamena dia nisy ny fotoam-pivavahana iraisam- pinonana niarahana tamin’ny Fiangonana ao anatin’ny FFKM Andilamena tamin’ny 7 Ora maraina
Tao aorian’izay dia nitanjozotra teny amin’ny Kianjan’ny mahery fo misy ny Tsangambaton’ny Mahery fo lavo tamin’ny 1947 ny vahoaka sy ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny sy ireo nasaina ka nisy ny fametrahana fehezam- boninkazo nataon’ny Lehiben’ny Distrik »Andilamena sy ireo Fikambanam-baiavy sy ny Ben’ny tanàna ary ireo zokiolona.
Taorian’izay no nisy fandraisam- pitenenana ka navoitra tamin’izany fa tompon’ny tantara ny Distrikan’Andilamena fa tsy notantaraina fotsiny satria nisy ireo nosamborina sy notifirina tao anatin’ny wagon tany Moramanga tamin’ny 5 Mey sy 8 Mey 1947 taorian’ny hetsika 29 Martsa1947 ka isan’ny lavo tamin’izany RADANY, RAKOTOMALALA, RAZAFIMANDIMBY Arthur, RASOANARIVO, sy ny maro hafa avy taty Andilamena.
Nampahatsiahivina moa izany mba hamelona indray ny afon’ny fitiavan- Tanindrazana ho an’ny taranaka ankehitriny izay » Fanilo miampita ho an’izy ireo  » araka ny lohahevitra. Tsy nisy nipika fa nilamina tsara ny fahatsiarovana.
✍️𝑵𝒂𝒏𝒈𝒐𝒏𝒐𝒏’𝒊 𝑳𝒐𝒗𝒂 𝑱𝒂𝒏𝒂̀

Related Post

𝐀𝐃𝐘 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐘 𝐌𝐈𝐏𝐀𝐑𝐈𝐓𝐀𝐊𝐀

Posted by - juin 1, 2025 0
𝗞𝗮𝗼𝗺𝗶𝗻𝗶𝗻𝗮 𝗿𝗼𝗮 𝗻𝗼 𝗻𝗮𝗵𝗮𝘇𝗼 𝗺𝗮𝗿𝗶𝗺-𝗽𝗮𝗸𝗮𝘀𝗶𝘁𝗿𝗮𝗵𝗮𝗻𝗮 𝗮𝘁𝗼 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗱𝗶𝘀𝘁𝗿𝗶𝗸𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗠𝗼𝗿𝗼𝗻𝗱𝗮𝘃𝗮 Notanterahina tao amin’ny kaominina ambaniohitry Befasy ny sabotsy faha 31 Mai…

« 𝐃𝐑𝐎𝐈𝐓 𝐃𝐄 𝐑𝐄𝐏𝐎𝐍𝐒𝐄  » 𝐀𝐕𝐘 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐒𝐄𝐍𝐀𝐓𝐎𝐑𝐀 𝐌𝐀𝐋𝐀𝐆𝐀𝐒𝐘

Posted by - février 28, 2025 0
Manoloana ny famoaham-baovao, nataon’ny Gazety an’habaka Feon’ny Demokrasia omaly,Alakamisy 27 Febroary 2025, (https://feonydemokrasia.mg/alerte-ambatomanjaka/) dia mitondra ity 𝐟𝐚𝐧𝐢𝐭𝐬𝐢𝐚𝐦-𝐛𝐚𝐨𝐯𝐚𝐨 ity ny 𝗦𝗲́𝗻𝗮𝘁…