πŒπ€π‘πŽπ‹π€πŒππŽ β€” ππˆπ•πŽπ€πŠπ€ π“π€πŒπˆπ’𝐍𝐘 π…π€π‡π€ππ†πˆππ€ππ˜ 𝐍𝐘 𝐍𝐘 π’πŽπ‹πŽπŒππ€π•π€πŒππ€π‡πŽπ€πŠπ€ π•πŽπ€π…πˆπƒπ˜ π“π€πŽ πŒπ€π‘πŽπ‹π€πŒππŽ π‘π€ππƒπ‘πˆπ€ππ€π’πŽπ‹πŽ π€π”π†π”π’π“πˆπ πŒπ€ππŽπ‹πŽπ€ππ€ 𝐍𝐘 π“π’π˜ π…π€ππƒπ‘πˆπ€πŒ-ππ€π‡π€π‹π„πŒπ€ππ€

16 0
Manoloana ny fitomboan’ny tranga tsy fandriam-pahalemana izay nitranga nisesisesy tato anatin’ny herinandro vitsivitsy tao amin’ny Distrikan’i Marolambo, dia nivoaka tamin’ny fahanginany ny Solombavambahoaka voafidy ao an-toerana, Randrianasolo Augustin.
Araka ny fanambarana nataony, dia nanamarika izy fa mampanahy lalina ny firongatry ny asan-jiolahy sy ny tsy fahamarinan-toerana eny amin’ny fokontany sasany, izay miteraka tahotra sy ahiahy ho an’ny mponina. Nambarany fa tsy azo ekena intsony ny fahanginana manoloana izao toe-draharaha izao, indrindra fa amin’ny maha solontenan’ny vahoaka azy.
Nanazava izy fa efa nisy ny fifampidinihana nataony tamin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny, anisan’izany ny mpitandro filaminana sy ny manampahefana eo anivon’ny distrika, mba hitadiavana vahaolana maika sy maharitra. Tanjona amin’izany ny fametrahana fandriam-pahalemana maharitra sy ny famerenana ny fitokisan’ny mponina amin’ny rafitra miaro azy ireo.
Ankoatra izany, dia niantso ny rehetra izy mba hiara-hientana amin’ny ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana, amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa akaiky eo amin’ny vahoaka sy ny mpitandro ny filaminana. Notsindriany fa andraikitry ny tsirairay ny mandray anjara amin’ny fitandroana ny fandriampahalemana, satria fototra iorenan’ny fampandrosoana izany.
Eo am-pamaranana, dia nanome toky Randrianasolo Augustin fa hanohy hanara-maso akaiky ny zava-misy izy, ary tsy hitsahatra hitaky vahaolana mazava sy haingana ho an’ny mponin’i Marolambo, mba hahafahan’izy ireo miaina am-pilaminana sy miverina amin’ny andavanandrony tsy misy tahotra.
Nangonin’ Lay Mahitsy

Related Post

𝐌𝐚𝐧𝐝𝐫𝐒𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚 – 𝐅𝐨𝐀𝐨𝐧𝐨π₯𝐨𝐧𝐚 𝐚𝐯𝐲 amin’ny 𝐟𝐨𝐀𝐨𝐧𝐭𝐚𝐧𝐲 11 π§π’πŸπšπ«π’π¦π›π¨π§πš 𝐧𝐚𝐧𝐚𝐫𝐒𝐧𝐚 π₯πšΜ€π₯𝐚𝐧𝐚 π¬π’π¦π›πš 𝐭𝐚𝐦𝐒𝐧`𝐧𝐲 𝐑𝐍32 𝐛𝐒𝐬

Posted by - avril 18, 2024 0
𝐌𝐚𝐧𝐝𝐫𝐒𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚 – 𝐅𝐨𝐀𝐨𝐧𝐨π₯𝐨𝐧𝐚 𝐚𝐯𝐲 amin’ny 𝐟𝐨𝐀𝐨𝐧𝐭𝐚𝐧𝐲 11 π§π’πŸπšπ«π’π¦π›π¨π§πš 𝐧𝐚𝐧𝐚𝐫𝐒𝐧𝐚 π₯πšΜ€π₯𝐚𝐧𝐚 π¬π’π¦π›πš 𝐭𝐚𝐦𝐒𝐧`𝐧𝐲 𝐑𝐍32 𝐛𝐒𝐬 (π‘΅π’‚π’π’‚π’Žπ’‘π’š π’Šπ’“π’†π’ π’‡π’π’Œπ’π’π’π’π’π’π’‚ π’•π’‚π’Žπ’Šπ’`π’π’š π’‡π’Šπ’‚π’•π’“π’†π’‰π’‚π’π’‚ π’Šπ’›π’‚π’π’š…