๐Œ๐€๐‘๐Ž๐‹๐€๐Œ๐๐Ž โ€” ๐๐ˆ๐•๐Ž๐€๐Š๐€ ๐“๐€๐Œ๐ˆ๐’๐๐˜ ๐…๐€๐‡๐€๐๐†๐ˆ๐๐€๐๐˜ ๐๐˜ ๐๐˜ ๐’๐Ž๐‹๐Ž๐Œ๐๐€๐•๐€๐Œ๐๐€๐‡๐Ž๐€๐Š๐€ ๐•๐Ž๐€๐…๐ˆ๐ƒ๐˜ ๐“๐€๐Ž ๐Œ๐€๐‘๐Ž๐‹๐€๐Œ๐๐Ž ๐‘๐€๐๐ƒ๐‘๐ˆ๐€๐๐€๐’๐Ž๐‹๐Ž ๐€๐”๐†๐”๐’๐“๐ˆ๐ ๐Œ๐€๐๐Ž๐‹๐Ž๐€๐๐€ ๐๐˜ ๐“๐’๐˜ ๐…๐€๐๐ƒ๐‘๐ˆ๐€๐Œ-๐๐€๐‡๐€๐‹๐„๐Œ๐€๐๐€

195 0
Manoloana ny fitomboanโ€™ny tranga tsy fandriam-pahalemana izay nitranga nisesisesy tato anatinโ€™ny herinandro vitsivitsy tao aminโ€™ny Distrikanโ€™i Marolambo, dia nivoaka taminโ€™ny fahanginany ny Solombavambahoaka voafidy ao an-toerana, Randrianasolo Augustin.
Araka ny fanambarana nataony, dia nanamarika izy fa mampanahy lalina ny firongatry ny asan-jiolahy sy ny tsy fahamarinan-toerana eny aminโ€™ny fokontany sasany, izay miteraka tahotra sy ahiahy ho anโ€™ny mponina. Nambarany fa tsy azo ekena intsony ny fahanginana manoloana izao toe-draharaha izao, indrindra fa aminโ€™ny maha solontenanโ€™ny vahoaka azy.
Nanazava izy fa efa nisy ny fifampidinihana nataony taminโ€™ireo tomponโ€™andraikitra isan-tsokajiny, anisanโ€™izany ny mpitandro filaminana sy ny manampahefana eo anivonโ€™ny distrika, mba hitadiavana vahaolana maika sy maharitra. Tanjona aminโ€™izany ny fametrahana fandriam-pahalemana maharitra sy ny famerenana ny fitokisanโ€™ny mponina aminโ€™ny rafitra miaro azy ireo.
Ankoatra izany, dia niantso ny rehetra izy mba hiara-hientana aminโ€™ny ady aminโ€™ny tsy fandriam-pahalemana, aminโ€™ny alalanโ€™ny fiaraha-miasa akaiky eo aminโ€™ny vahoaka sy ny mpitandro ny filaminana. Notsindriany fa andraikitry ny tsirairay ny mandray anjara aminโ€™ny fitandroana ny fandriampahalemana, satria fototra iorenanโ€™ny fampandrosoana izany.
Eo am-pamaranana, dia nanome toky Randrianasolo Augustin fa hanohy hanara-maso akaiky ny zava-misy izy, ary tsy hitsahatra hitaky vahaolana mazava sy haingana ho anโ€™ny mponinโ€™i Marolambo, mba hahafahanโ€™izy ireo miaina am-pilaminana sy miverina aminโ€™ny andavanandrony tsy misy tahotra.
Nangonin’ Lay Mahitsy

Related Post

๐ผ๐‘›๐‘ ๐‘ก๐‘–๐‘ก๐‘ข๐‘ก ๐ถ๐‘œ๐‘›๐‘“๐‘ข๐‘๐‘–๐‘ข๐‘  ๐‘‘’๐ธ๐‘›๐‘ ๐‘’๐‘–๐‘”๐‘›๐‘’๐‘š๐‘’๐‘›๐‘ก ๐‘ƒ๐‘Ÿ๐‘œ๐‘“๐‘’๐‘ ๐‘ ๐‘–๐‘œ๐‘›๐‘›๐‘’๐‘™ ๐‘’๐‘ก ๐‘‡๐‘’๐‘โ„Ž๐‘›๐‘–๐‘ž๐‘ข๐‘’ ๐‘’๐‘ก๐‘œ ๐น๐‘–๐‘Ž๐‘›๐‘Ž๐‘Ÿ๐‘Ž๐‘›๐‘ก๐‘ ๐‘œ๐‘Ž

Posted by - aoรปt 8, 2026 0
๐”๐๐ˆ๐•๐„๐‘๐’๐ˆ๐“๐„ ๐…๐ˆ๐€๐๐€๐‘๐€๐๐“๐’๐Ž๐€ : ๐Ÿ๐Ÿ“ ๐ญ๐š๐จ๐ง๐š ๐ญ๐š๐จ๐ซ๐ข๐š๐ง’๐ง๐ฒ ๐ง๐ข๐ฃ๐จ๐ซ๐จ๐š๐ง๐ฒ, ๐ฆ๐š๐ก๐š๐ฅ๐ž๐จ ๐ญ๐ž๐ง๐š ๐ญ๐š๐ง๐ญ๐ž๐ซ๐š๐ค๐š ๐ง๐ฒ ๐ˆ๐ง๐ฌ๐ญ๐ข๐ญ๐ฎ๐ญ ๐‚๐จ๐ง๐Ÿ๐ฎ๐œ๐ข๐ฎ๐ฌ. Efa 15 taona no nisian’ny ๐ผ๐‘›๐‘ ๐‘ก๐‘–๐‘ก๐‘ข๐‘ก ๐ถ๐‘œ๐‘›๐‘“๐‘ข๐‘๐‘–๐‘ข๐‘ …