LEHILAHY IRAY NIKASA HANOLANA ZAZA TSY AMPY TAONA MIISA 3 VOSAMBOTRY NY POLISY TAO MAINTIRANO

373 0

 Nosamborin’ny Polisin’ny FIP ity lehilahy 28 taona ity ny Asabotsy 17 febroary 2024 noho ny fanaovana herisetra sy fikasana hanolana zaza tsy ampy taona tao amin’ny Fkt Tanambao SPM, Kaominina Mantirano.

 Araka ny fanadihadiana nataon’ny Kaomisaria ao Maintirano dia zaza latsaky ny 13 taona miisa 3 ireo saika naolany ireo. Nirongo antsy izy tamin’io fotoana io saingy vao nahita ny fokonolona dia tsy afaka nanohy ny fikasan-dratsiny. Ankoatr’ireo dia nisy vehivavy iray ihany koa niaran’ny herisetra sy fikasana hanolana nataon’ity lehilahy ity.

 Natolotra ny sampan-draharaha miaro ny zaza sy ny olona marefo ary miady amin’ny heloka mamoafady ao an-toerana kosa ny raharaha

Nangonin’i Antenna

Related Post

Fisolokiana miseho amin’ny Cash Point eto Mandritsara | Namory mpanao cash point ny lehiben`ny kompania

Posted by - fΓ©vrier 24, 2024 0
𝐌𝐚𝐧𝐝𝐫𝐒𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚 – πŒπšπ§π¨π¦π›π¨π€πš 𝐦𝐚𝐑𝐚𝐳𝐨 𝐯𝐚𝐑𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐦𝐩𝐒𝐬𝐨π₯𝐨𝐀𝐲 𝐯𝐨π₯𝐚 𝐚𝐦𝐒𝐧`𝐧𝐲 π‚πšπ¬π‘ 𝐏𝐨𝐒𝐧𝐭 ( Namory mpanao cash point ny lehiben`ny kompania) ✦Cash…