π Kominina Dimy (05) amin’ireo Sivy (09) mandafitra ny Distrikan’i Beroroha no hita fa tena lasibatry ny fandalovan’ny andro ratsy Alvaro lasa teo.
πTafiakatra 1.417 ireo olona tra-boina, rava trano sy tototra ny rano ny tanim-bary tsy afaka manao ny asa aman-draharaha ka mila fanampiana.
π Toha-drano (barrages) miisa efatra (04) kosa no tsy afaka manondraka tanim-boly, tototry ny fasika.
π Mbola miara manangona ireo antotan’isa amin’ireo kominina sy fokotany nandalovan’ny toetrandro Ratsy ny teknisianina avy ao amin’ny PAM sy ny BNGRC, izay notarihan’ny Prefen’i Toliara SOLONDRAZA Arson Theodolin Lydore. sy ny Chef C O col Nambinintsoa.
π³ Nangonin’i Joachim Ambroise