Commissariat Central Avaradrano | Sabotsy Namehana.

103 0
Rehefa nahazo fampitam-baovao avy amin’ny olona tsara sitram-po ny Polisy eto amin’ny Kaomisaria Sabotsy Namehana fa misy jiolahy mihaodihaody aty FKT Manarintsoa dia nametraka ny velam-pandrika rehetra hahafahana misambotra izany izy ireo.
 
Rehefa nidina teny an-toerana tokoa ny Mpitandro filamininana, dia nisy tokoa ny andian-jiolahy miisa 3 mitam- piadiana. Tokony ho tamin’ny 10ora alina tany ho any , dia raikitra ny fifanenjehana sy fifampitifirana.
Vokany lavo ny balan’ny Mpitandro filaminana ny iray tamin’ireo jiolahy, ary tratra teny aminy ny basy pistolet automatique nampiasainy. Raha tafatboritsaka kosa ny roalahy namany ary mbola karohina hatramin’ny ora hanoratanay.
 
Mirongatra ny tsy fandriampahalemana amin’iny faritra Namehana iny na dia eo aza ny fepetra rehetra noraisin’ny Kaominina sy ny Mpitandro filaminana any an-toerana izay hita ho manao ny ainy tsy ho zavatra mihintsy manoloana ny fampandriam-pahalemana ny tanana.
 
Ilaina foana ny fifanampiana sy fifampitana ary indrindra ny fampitam-baovao aram-potoana tahaka izao indrindrafa ankatok’izao fety izao dia mila mailo hatrany satria ny ratsy tsy kely lalana
 
 
Nangonin ‘Lay Mahintsy
πŸ“· : sary fanehoana

Related Post