FAMPANDROSOANA ENY AMIN’ NY TONTOLO AMBANIVOHITRA.

576 0

๐Ÿ“Œ Notanterahintsika tao amin’ ny kaominina ambanivohitry Soamagnova distrikan’ i Vangaindrano ny fizarana sy fanolorana zana- trondro, ny ย ยป broyeur sy palettiseurย ยป izay fanamboarana provandy hatao sakafony, ary ny karatry ny mpiompy trondro, ka zana- trondro novokarin’ ny Koperativa FANIRISOA ao Soamagnova miisa 5000 no nozaraina tamin’ ireo mpiompy trondro manao fanitarana, ary mpiompy trondro 25 no nahazo izany.

๐Ÿ“Œ Izany moa dia tafiditra indrindra amin’ ny tosika fanomezana zana- trondro miisa 25000 avy tamin’ ny Minisiteran’ ny jono sy ny toe- karena manga, mba hampiroboroboana ny sehatry ny fiompiana trondro sy hanatsarana ny velontenan’ ireo mpiompy trondro aty amintsika, mba ho fampanarahan- dalana ihany koa ireo mpiompy trondro mitodika amin’ ny varotra, isan’ ny antony nanolorana izany.

๐Ÿ“Œ Fanampin’ ireo dia isaorantsika ny ben’ ny tananan’ ny kaominina Soamagnova nanolotra masom- boly katsaka 150 kapoaka sy masom- boly soja 150 kapoaka ihany koa, hahafahantsika mamokatra ireo akora fototra ilaina amin’ ny fanamboarana provandy, ary mbola misy ihany koa moa akora hafa toy ny apombo sy ny mangahazo izay efa misy aty amintsika.

๐Ÿ“Œ Nambarantsika hatrany, ny Goverinoran’ ny Faritra Atsimo Atsinanana Docteur MAHAFAKY Justin izay tonga nanome voninahitra izao fanolorana fitaovana sy zana – trondro izao, nohotronin’ i ben’ ny tananan’ i Soamagnova sy ny solontenan’ ny tetikasa Afafi sud ary ny Talem- paritry ny jono sy ny toe- karena manga Atsimo Atsinanana fa tsy ny fiompiana trondro ihany no ahitantsika fampandrosoana fa azo atao tsara ihany koa ny mamboly kafe, jirofo, vanille, vary, sns………ary ny fiompiana tantely, izay hery entintsika miady hatrany amin’ ny tsy fanjarian- tsakafo.

๐Ÿ“Œ Koa eto ary dia manolotra fisaorana ny fitondram- panjakana tarihin i Filoham- pirenena ANDRY Rajoelina sy ny Praiminisitra Lehiben’ ny Gouvernemanta, indrindra ny Minisitry ny jono sy ny toe- karena manga izay manatanteraka izao politikam- panjakana izao, entina hampiroboroboana ny fiompiana trondro sy ny fanohanana ireo mpiompy trondro ety ifotony.

๐Ÿ†” Nangonin’i Emerson Didier

Related Post

Ny Kolonely Ratsimandrava Richard

Posted by - fรฉvrier 11, 2024 0
Ratsimandrava Richard dia miaramila sy mpitondra fanjakana malagasy, teraka tamin’ ny 21 Marsa 1931 tao Mangarivotra, Antananarivo ary maty tamin’ ny 11 Febroary 1975…

๐“๐ž๐ญ๐ข๐ค๐š๐ฌ๐š ยซย ๐ฆ๐ฉ๐ข๐š๐ง๐š๐ญ๐ซ๐š ๐ข๐ซ๐š๐ฒ ๐ก๐š๐ณ๐จ ๐ข๐ซ๐š๐ฒย ยป

Posted by - fรฉvrier 28, 2024 0
Natomboka tao amin’ny EPP Tsimavaobe ao Morondava androany ny fambolen-kazo ao anatinโ€™ny tetikasa โ€œ๐—จ๐—ป รฉ๐—นรจ๐˜ƒ๐—ฒ, ๐—จ๐—ป ๐—ฎ๐—ฟ๐—ฏ๐—ฟ๐—ฒโ€ izay nanentananโ€™IOโ€™RENALA ny…

๐“๐€๐๐“๐’๐€๐‡๐€ ๐Œ๐ˆ๐‘๐€๐˜ ๐‡๐ˆ๐๐€ ๐Œ๐ˆ๐“๐€๐ƒ๐˜ ๐…๐€๐๐ƒ๐‘๐ˆ๐€๐Œ-๐๐€๐‡๐€๐‹๐„๐Œ๐€๐๐€

Posted by - novembre 8, 2023 0
๐‘ญ๐’Š๐’Œ๐’‚๐’Ž๐’ƒ๐’‚๐’๐’‚๐’๐’‚ ๐’Š๐’—๐’๐’๐’…๐’“๐’๐’๐’‚๐’’๐’๐’š ๐‘ญ๐‘ฒ๐‘ป 45 ๐’‚๐’ ๐’‚๐’๐’‚๐’•๐’Š๐’’๐’๐’š ๐’Œ๐’‚๐’๐’Ž๐’Š๐’๐’Š๐’๐’‚ 7 ( Tsarasaotra, Ankazoambo, Alakamisy Ambohijato, Ivony, Ivato, Ambositra I sy II) แด›แด€ษดแดŠแดษดแด€:…