Ivandrika distrikan’i Farafangana | Noravaran’ny afo tanteraka

449 0

Ravan’ny afo avokoa ny 98 isanjaton’ny tanàna ao amin’ny kaomina ambanivohitra Ivandrika distrikan’i Farafangana araka ny tatitra nomen’ireo tompon’andraikitra avy any an_toerana hoy ny solombavambahoakan’i Farafangana Raby Savatsarah.

Ny maraina teo no niseho ny firehetana ary tsy mbola fantatra mazava ny nahatonga ny loza .
Saika mbola trano raty avokoa ny any an_toerana ka nampitatra ny afo vetivety.

Manao antso avo amin’ny fitondram_panjakana noho izany ny solombavambahoaka Raby Savatsarah mba hijery akaiky ity voina ity satria betsaka ireo tsy misy ho raisina intsony.

📝 M.Elvina

Related Post

RAHARAHA FANAPOHANA SOLIKA

Posted by - octobre 22, 2024 0
Olona 24 tompon’antoka no voasambotry ny sampana fikarohana heloka bevava eo anivon’ny zandarimariam_pirenenana taorian’ny fidinana ifotony natao tamina tokatrano 10…