BELO TSIRIBIHY | VOKATRY NY FAKANA ANKERINY MISESISESY DIA HAKATONA NY SEKOLY.

244 0
📌 Nanapa-kevitra ny talen-tsekoly rehetra manomboka amin’ny EPP hatramin’ny Lycée ao Antsiraraky, Belo tsiribihy na miankina na tsy miankina fa hanakatona tranon-tsekoly manomboka rahampitso alatsinainy 15 janoary hatramin’ny fotoana tsy mbola voafaritra manoloana ny fampihorohoroana fakana ankeriny miantefa amin’ny ain’ny mpampianatra
 
📌 Ny antony dia noho ny fisian’ny Kidnapping tao Antsiraraky, Belo Tsiribihy, ka mpianatra mianadahy no lasan’ireo dahalo t@ izany. 9 taona ilay zazalahy, 13 ilay zazavavy, tsy mbola nahazoam-baovao hatr@ nakana ankeriny azy ny sabotsy alina 13 janoary hifoha alahady 14 janoary. Mandrahona ny mbola haka ankeriny mpampianatra ihany koa ireo jiolahy.
 
📌 Mitaraina ny mponina ao amin’ny faritry ny distrikan’i Belo Tsiribihy fa mifandimby ny halatr’omby sy halatr’olona dia izao miditra amin’ny fanosihosena ny hasin’ny fanabeazana izao indray.
Nangonin ‘Lay Mahintsy
Ⓒ Lemana Elysée

Related Post