Nanapa-kevitra ny talen-tsekoly rehetra manomboka amin’ny EPP hatramin’ny Lycรฉe ao Antsiraraky, Belo tsiribihy na miankina na tsy miankina fa hanakatona tranon-tsekoly manomboka rahampitso alatsinainy 15 janoary hatramin’ny fotoana tsy mbola voafaritra manoloana ny fampihorohoroana fakana ankeriny miantefa amin’ny ain’ny mpampianatra
Ny antony dia noho ny fisian’ny Kidnapping tao Antsiraraky, Belo Tsiribihy, ka mpianatra mianadahy no lasan’ireo dahalo t@ izany. 9 taona ilay zazalahy, 13 ilay zazavavy, tsy mbola nahazoam-baovao hatr@ nakana ankeriny azy ny sabotsy alina 13 janoary hifoha alahady 14 janoary. Mandrahona ny mbola haka ankeriny mpampianatra ihany koa ireo jiolahy.
Mitaraina ny mponina ao amin’ny faritry ny distrikan’i Belo Tsiribihy fa mifandimby ny halatr’omby sy halatr’olona dia izao miditra amin’ny fanosihosena ny hasin’ny fanabeazana izao indray.
Ranomafana โ Nanao fitsidihana ofisialy voalohany tao aminโny distrikanโi Ranomafana ny Fitalehavam-paritry ny Fizahan-tany sy ny Asa-tanana ao aminโny Faritra…
Androany 9 Dรฉcembre no nankalazana ny andro iraisam-pirenena hiadiana amin’ny Tsimokaretina VIH/SIDA ny teto amin’ny renivohitry ny faritra Menabe raha…