ANKILIVALO, MAHABO MPANGALAJAZA 3 NO TRATRA KA MATY VOATIFITRA NY ROA

569 0

π€ππŠπˆπ‹πˆπ•π€π‹πŽ, πŒπ€π‡π€ππŽ πŒππ€ππ†π€π‹π€π‰A𝐙𝐀 πŸ‘ 𝐍𝐎 𝐓𝐑𝐀𝐓𝐑𝐀 πŠπ€ πŒπ€π“π˜ π•πŽπ€π“πˆπ…πˆπ“π‘π€ 𝐍𝐘 π‘πŽπ€

πŸ“Œ Nitrangana hala-jaza tao amin’ny kaominina ambanivohitra Ankilivalo distrikan’ny Mahabo omaly alarobia 21 Desembre 2023 ka tovovavy iray avy any Belo sur Tsiribihina no nanao ny fangalarana io Zaza io.

πŸ“Œ Ity tovovavy ity dia tokony eo amin’ny 19 taona eo ary tsy misy fianakavian ao Ankilivalo fa hangala-jaza mintsy no niaviany tao ka nampiasa hafetsena izy niaraka tamin’ny lehilahy tao ka nipetraka tao amin’ilay lehilahy sady mijery izay Zaza ho alainy efa naharitra raivolana moa izy no tao ka efa mifan-kazatra amin’ny olona ka mody mitaiza ireo zanakolona ao izy ny omaly dia Zaza iray taona sy tapany izay zanak’olona eo akaikin’ny misy azy ireo no nalainy tamin’ny zokiny izay tovovavy mitovy taona aminy ihany tokony sivy ora maraina mody notezainy tao amin’ny avy eo izy tsy hita niaraka tamin’ilay Zaza ka nitady ilay Zaza ny zokiny satria ny reniny ilay Zaza lasa nivarotra dia nizokiny no miandraikitra azy saingy rehefa nitady izy tsy nahita dia namonjy ny manampahefana ka vao naheno izany ny Ben’ny tanana Andriamatoa Fidera DorΓ© Ka nampanao paiby ary niara- nitady ny fokonolona saingy tsy nahita ary nandritr’izany no nisy olona namonjy ny Ben’ny tanana nilaza fa hitany nisy nitondra tamin’ny posy ilay Zaza ka nambarany ilay olona saingy rehefa nantsoina io olona io dia nilaza fa tsy nitondra io Zaza io fa nandeha naka ny ankanjony eny Morondava.

πŸ“Œ Tonga ny hariva tokony tamin’ny 5 ora tonga izy dia novonjen’ny ben’ny Tanana sy ray aman_dreny vitsivitsy teo an_toerana niaraka tamin’ilay zokin’ilay Zaza very sy ilay olona nahita nitondrany ilay Zaza ka nanotaniana moramora izy saingy tsy nilaza ny marina ka voatery naka mpitandron’ny filaminana ny ben’ny tanana, teo an-toerana moa ireo miaramila mpampandry tany ka reo no nantsoina vao nhadihadian’ny miaramila izy tonga dia niteny ny marina ka nolazainy fa nateriny eny amin’ny namany eny Morondava ilay Zaza roa izy no nitondra azy fa ny iray eny Morondava, nitady fiara avy hatrany moa ireo manampahefana ka nentina nandeha Morondava izy haka ilay Zaza tao amin’ny fokotany Avaradrova moa no nasiany azy satria ilay lehilahy ao hoe mahay ny mpividy ilay Zaza efa matory eo ambony fandriana moa ilay Zaza ary lehilahy iray no mitazona azy ao no samborina koa moa lehilahy io ary ilay namany iray izay niaraka tamin’ilay vehivavy nanatitra io Zaza io teny, rehefa nentina moa izy telo ireo, rehefa nentina ho atolotra ny zandary moa izy ireo dia nikasa ny hitsoaka, ilay vehivavy no voatazona fa ireo roa lahy tafatsoaka kosa tafatsoaka nanao tifi-danitra ireo miaramila saingy tsy nijanona izy ireo ka voatery nitifitra azy ireo ny miaramila ka lavo ireo roalahy.

πŸ“Œ Ilay Zaza moa rehefa avy noentina teny amin’ny mpitsabo natao fizahana dia natolotra ny reniny fa ity tovovavy ity kosa dia natolotra ny zandary ary mitohy ny fanadihadiana manoloana izao tranga izao ny Tomponandraikitra eto amin’ny kaominina dia manamafy ny fanarahamaso ireo vahiny tonga eo antoerana

Nangonin’i RaPa Menabe

Related Post

FANDAMINANA NY FIFAMOIVOIZANA

Posted by - juillet 2, 2024 0
Morondava Nidina ifotony nitondra fanetanana sy fampianarana ho an’ireo mpampiasa lalana ny avy eo anivon’ny polisim-pirenena Morondava manoloana ny fisian’ny…