๐…๐ˆ๐Š๐€๐Œ๐๐€๐๐€๐๐€ ๐€๐•๐Ž๐“๐‘๐€ ๐’๐€๐๐Ž๐“๐’๐˜ ๐๐€๐Œ๐„๐‡๐€๐๐€ | ๐€๐ƒ๐˜ ๐๐€๐Ž๐‹๐ˆ๐๐€ ๐Š๐ˆ๐“๐‘๐€ | ๐๐ˆ๐•๐Ž๐€๐Š๐€ ๐Œ๐๐€๐๐ƒ๐‘๐„๐’๐˜ ๐๐˜ ๐…๐‚ ๐“๐€๐Œ๐๐€๐“๐‘๐€ – ๐€๐‹๐€๐Œ๐€๐‡๐ˆ๐“๐’๐˜ ๐๐€๐๐Ž๐‹๐Ž๐€๐๐€ ๐๐˜ ๐…๐‚ ๐“๐Ž๐๐†๐Ž๐‹๐Ž – ๐€๐Œ๐๐Ž๐‹๐Ž

224 0
Omaly Alahady faha 20 Oktobra 2024 folakโ€™andro no nifarana ny Ady Baolina Kitra, izay nokarakarainโ€™ny Fikambanana ASN, na ny Fikambanana AVOTRA SABOTSY NAMEHANA, sy ny MPIKITRA Sabotsy Namehana Araka ny fanazavananโ€™Andriamatoa Delphin RALAIMANANA Filohanโ€™ny Fikambanana dia nambarany fa efa fanao isan-taona ity lalao fifaninana ity ary natao indrindra hampitombo ny lentanโ€™ny Baolina Kitra eto aminโ€™ny Distrika Antananarivo Avaradrano.
Nilaza Andriamatoa Jerome RAKOTOMALALA, fa ity lalao fifaninana ity dia efa naharitra 8 volana tany ho any izay no nanombohany ary Club Football miisa 800 teo ho eo no nandray anjara taminโ€™izany, ka ny FC Tambatra Anamalahitsy sy ny FC Tongolo Ambolo no tonga aty am-pamaranana.
Araka ny nambarany ihany, dia ny Fikambanana AVOTRA SABOTSY NAMEHANA no miantoka feno ny fanomezana ny Amboara rehetra, ka omby mifahy no hoanโ€™ny Mpandresy, miampy medaly, fanamiana feno enti-miatrika lalao baolina kitra kosa hoanโ€™ireo sisa ambiny. Nambarany ihany koa fa hisokatra tsy hoela ihany koa ny Fifaninana Baolina kitram-pokontany, ary handraisanโ€™ireo Fokontany 17 manerana ny Kaominina Sabotsy Namehana. Natao indrindra izany ho fialambolinโ€™ny tanora andaniny fa entina hitiliana ireo sangany aminโ€™ity lalao ity kosa ankilany, izay hofantenina ho Mpilalao Baolina kitra eto aminโ€™ny Kaominina.
Andriamatoa Jerรดme RAKOTOMALALA, dia anisanโ€™ireo hifaninana ho Benโ€™ny Tanana hitantana ny Kaominina Sabotsy Namehana, ary fantatra fa laharana faha6 no misy azy ao anaty Bileta Tokana.
Fa taminโ€™ity fotoana ity no namalainโ€™Andriamatoa Solombavambahoakanโ€™ny Madagasikara, izay voafidy teto Avaradrano, ny Deputรฉ AVOTRA ny fanontaniana manitikitika ny rehetra, indrindra hakatokโ€™izao fifidianana izao, dia ny hoe ยซ Iza no Kandida hametrahany ny fitokisany, ka hamindrany ny fahaiza, manao hananany nandritโ€™izay amam-polon-taona nitantanany ny Kaominina izany ยป,
Nambarany nandritra ny fandraisam-pitenana nataony nandritra ny fanokafana ny lalao ร ry fa ny ASN izay tarihinโ€™Andriamatoa Jerรดme RAKOTOMALALA no niantefanโ€™ny safidiny. I Jerรดme hoy izy nanohy ny teniny no efa manana traikefa feno aminโ€™ny fitantanana, ary manana ny fahalalana aminโ€™ny fampandrosoana, koa tsy diso safidy velively aho manolotra azy ho Benโ€™ny Tanร na. Ary vonona aho hanampy, hanohana ary hifanome tanana aminy, indrindra ho fampandrosoana ity Sabotsy Namehana mamintsika ity.
Fa raha iverenana kely ny voka-dalalao , dia nivoaka mpandresy taminโ€™ny isa mavesatra ny FC Tambatra raha nanoloana ny FC Tongolo, isa 3 be izao no hoanโ€™ny FC Tambatra, ary isa 1 kosa hoanโ€™ny FC Tongolo.
Adinโ€™ombalahinโ€™ny mpianakavy iny, ny resy tsy hakoraina, ny mahery tsy hobiana
Nangonin ‘Lay Mahitsy

Related Post

๐Ÿณ ๐—™๐—˜๐—ฉ๐—ฅ๐—œ๐—˜๐—ฅ ๐Ÿฎ๐Ÿฌ๐Ÿฌ๐Ÿต -๐Ÿณ ๐—™๐—˜๐—ฉ๐—ฅ๐—œ๐—˜๐—ฅ ๐Ÿฎ๐Ÿฌ๐Ÿฎ๐Ÿฑย ยป

Posted by - fรฉvrier 7, 2025 0
ย ยป ๐‘ป๐’”๐’š ๐’Ž๐’‚๐’•๐’š ๐’‚๐’•๐’ ๐’‚๐’-๐’•๐’”๐’‚๐’Š๐’Œ๐’ ๐’‚๐’“๐’š ๐’Ž๐’‚๐’๐’…๐’“๐’๐’•๐’Š๐’Œ๐’‚ ๐’๐’š ๐’‡๐’๐’Œ๐’ ๐’๐’š ๐’“๐’‚๐’•๐’“๐’‚ ๐’”๐’š ๐’๐’š ๐’ƒ๐’‚๐’๐’ˆ๐’‚ ๐’๐’‚๐’—๐’†๐’๐’‚๐’’๐’Š๐’“๐’†๐’ ๐’‰๐’‚๐’—๐’‚๐’๐’•๐’”๐’Š๐’Œ๐’‚ ๐’๐’‚๐’—๐’ ๐’‰๐’ ๐’‚๐’โ€™๐’๐’š ๐‘ป๐’‚๐’๐’Š๐’๐’…๐’“๐’‚๐’›๐’‚๐’๐’‚ย ยป…