Andranobevava-Maevatanàna: Nandritra ny fidinana ifotony nataon’ny » DIREDD Boeny sy CIREF Betsiboka » dia natsahatra tamin’ny andraikiny, ireo voameran’ny ala any an-toerana.
Araky ny efa notanterina teto amin’ny gazety an’habaka feon’ny demokrasia Madagasikara androany maraina teo, makasika ny fanerena mpiasa volamena nanome vola 1920.000 ariary hoan’ireo voameran’ny ala na kaomity miaro ny doro-tanety any Andranobevava, izay nolozaina fa nikapa hazo iray na vata manga dia nidina ifotony nalaky ny tompon’andraikitra, teo anivon’ny tontolo iainana sy Fandrosoana lovainjafy na ihany koa » DIREDD Boeny sy chef Ciref Betsiboka.
Taorian’ny fanangonam-baovao tany amin’ny fokontan’Andranobevava, any amin’ny kaominina ambanivohitra Beanana, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna no nahalalana fa tena nisy tokoa ny ramatahora nataon’izy roalahy voameran’ny ala any an-toerana, tamin’ireo mpiasa volamena enin-dahy hanome vola tsy misy hatak’andro, mba tsy hampiakarana ny raharaha eto Maevatanàna.
Gaga sy talanjona ny tompon’andraikitra avy amin’ny DIREDD Boeny sy Chef Ciref Betsiboka rehefa naheno ny kolikoly avo lenta, nataon’izy roalahy voameran’ny ala. Ary tamin’izay indrindra no natsahatra tamin’ny andraikiny, ireto farany. Lasa lavitra tokoa ity raharaha ity, satria nisy mpiray tsikombakomba tamin’ny fanerena ireo mpiasa volamena nanome vola 1920.000 ariary ny Alahady hariva teo izy roalahy voameran’ny ala.
📌 Toamasina: Manohy ny fanatanterahana ny paik’ady ho fametrahana ny Fandriam-pahalemana maharitra ny Pôlisim-pirenena,araka ny baiko hentitra avy amin’ny Talem-paritry…
Nanapa-kevitra ny talen-tsekoly rehetra manomboka amin’ny EPP hatramin’ny Lycée ao Antsiraraky, Belo tsiribihy na miankina na tsy miankina fa hanakatona…
Nampidirigny am-ponja vonjimaiky eto Antsiragnana tamin’ny folak’andran’ny Tinainy 17 Jona 2024, i Naïdar raim-pianakaviagna 40 taogno, izay nisandoka ho police…