Andranobevava-Maevatanàna | Natsahatra tamin’ny andraikiny, ireo voameran’ny ala

484 0
Andranobevava-Maevatanàna: Nandritra ny fidinana ifotony nataon’ny  » DIREDD Boeny sy CIREF Betsiboka » dia natsahatra tamin’ny andraikiny, ireo voameran’ny ala any an-toerana.
👉 Araky ny efa notanterina teto amin’ny gazety an’habaka feon’ny demokrasia Madagasikara androany maraina teo, makasika ny fanerena mpiasa volamena nanome vola 1920.000 ariary hoan’ireo voameran’ny ala na kaomity miaro ny doro-tanety any Andranobevava, izay nolozaina fa nikapa hazo iray na vata manga dia nidina ifotony nalaky ny tompon’andraikitra, teo anivon’ny tontolo iainana sy Fandrosoana lovainjafy na ihany koa  » DIREDD Boeny sy chef Ciref Betsiboka.
👉 Taorian’ny fanangonam-baovao tany amin’ny fokontan’Andranobevava, any amin’ny kaominina ambanivohitra Beanana, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna no nahalalana fa tena nisy tokoa ny ramatahora nataon’izy roalahy voameran’ny ala any an-toerana, tamin’ireo mpiasa volamena enin-dahy hanome vola tsy misy hatak’andro, mba tsy hampiakarana ny raharaha eto Maevatanàna.
👉 Gaga sy talanjona ny tompon’andraikitra avy amin’ny DIREDD Boeny sy Chef Ciref Betsiboka rehefa naheno ny kolikoly avo lenta, nataon’izy roalahy voameran’ny ala. Ary tamin’izay indrindra no natsahatra tamin’ny andraikiny, ireto farany. Lasa lavitra tokoa ity raharaha ity, satria nisy mpiray tsikombakomba tamin’ny fanerena ireo mpiasa volamena nanome vola 1920.000 ariary ny Alahady hariva teo izy roalahy voameran’ny ala.
Nagonon’i Zandry be Tantely

Related Post

𝑫𝒓 𝑬𝒅𝒎𝒐𝒏𝒅 (𝑬𝒅1) : 𝑭𝑰𝑻𝑰𝑨𝑽𝑨𝑵- 𝑻𝑨𝑵𝑰𝑵𝑫𝑹𝑨𝒁𝑨𝑵𝑨 𝑵𝑶 𝑵𝑨𝑵𝑶𝑺𝑰𝑲𝑨 𝑨𝑯𝒀 𝑯𝑨𝑵𝑶𝑹𝑰𝑵𝑨 𝑻𝑶𝑩𝑰𝑵’𝑵𝒀 𝒁𝑨𝑵𝑫𝑨𝑹𝑰𝑴𝑨𝑹𝑰𝑨

Posted by - décembre 4, 2023 0
𝑫𝒓 𝑬𝒅𝒎𝒐𝒏𝒅 (𝑬𝒅1) : 𝑭𝑰𝑻𝑰𝑨𝑽𝑨𝑵- 𝑻𝑨𝑵𝑰𝑵𝑫𝑹𝑨𝒁𝑨𝑵𝑨 𝑵𝑶 𝑵𝑨𝑵𝑶𝑺𝑰𝑲𝑨 𝑨𝑯𝒀 𝑯𝑨𝑵𝑶𝑹𝑰𝑵𝑨 𝑻𝑶𝑩𝑰𝑵’𝑵𝒀 𝒁𝑨𝑵𝑫𝑨𝑹𝑰𝑴𝑨𝑹𝑰𝑨 Hoy ny 𝑫𝒓 𝑹𝑨𝑲𝑶𝑻𝑶𝑴𝑨𝑳𝑨𝑳𝑨 𝑬𝒅𝒎𝒐𝒏𝒅, Mpikaroka Raokandro Malagasy,…