ANATIN’NY 3 ANDRO NY FANKALAZANA NY 8 MARTS HO AN’NY VEHIVAVY AMBATOLAHY

230 0
hotohin’ny vehivavy rehetra maneran-tany dia mankalaza ny andron’ny vehivavy ireo vehivavy ato amin’ny Kaominina Ambanivohitra Ambatolahy ato amin’ny Distrikan’ny Miandrivazo.
Hetsika maro no hanamarihana izany izay niatomboka tamin’ny vavaka firaisam-pinoana izay natao tao amin’ny fiangonana FLM Ambatolahy ny alakamisy 6 martsa teo izay nitohy tamin’ny hazakazaka nanehoan’ireo vehivavy ny firaisankina niaraka tamin’ireo tompon’andraikim-panjakana ny marainan’ny zoma 7 martsa ny tolak’andro kosa
Ka lalalo ara-panatanjahan-tena sy fanadiovana ary fandaminana ny toerana hanaovana ny fety fa ny rapitso sabotsy kosa izay ivon’ny fankalazana dia misy ny famoha mandry sy fananganan-tsaina ny vao maraina ary mitohy amin’ny Carnaval lehibe mamavikavaky ny Tanana,hisy koa ny kabary ifandim-biasana izay elanelanin’ny kilalao sy ny vokatra izay ataon’ireo fikambanam-behivavy fa ny folak’andro dia baolina kitra lehibe ifampikatrohan’ireo samy vehivavy ka ho faranana amin’ny alimpandihizana ny fankalazana.
Ny hetsika rehetra dia eo ambany fiahian’ireo tompon’andraikim-panjakana eto an-toerana izay tarihin’ny ben’ny Tananan’ny kaominina ambanivohitra Ambatolahy.
✍️RA PA

Related Post

𝗠𝗔𝗡𝗗𝗥𝗜𝗧𝗦𝗔𝗥𝗔 – 𝗟𝗘𝗛𝗜𝗟𝗔𝗛𝗬 40 𝗧𝗔𝗢𝗡𝗔 𝗡𝗔𝗡𝗢𝗟𝗔𝗡𝗔 𝗭𝗔𝗭𝗔𝗩𝗔𝗩𝗬 11 𝗧𝗔𝗢𝗡𝗔

Posted by - février 5, 2024 0
𝗠𝗔𝗡𝗗𝗥𝗜𝗧𝗦𝗔𝗥𝗔 – 𝗟𝗘𝗛𝗜𝗟𝗔𝗛𝗬 40 𝗧𝗔𝗢𝗡𝗔 𝗡𝗔𝗡𝗢𝗟𝗔𝗡𝗔 𝗭𝗔𝗭𝗔𝗩𝗔𝗩𝗬 11 𝗧𝗔𝗢𝗡𝗔 (𝐍𝐚𝐨𝐥𝐚𝐧𝐲 𝐬𝐚𝐝𝐲 𝐧𝐨𝐫𝐚𝐡𝐨𝐧𝐚𝐧𝐲 𝐡𝐨 𝐟𝐚𝐭𝐲…) 📌 Rangahy iray 40 taona nanolana…