FILANKEVITRA KAOMINALY MORONDAVA NASIANA FANAVAOZANA IREO BIRAO MAHARITRA

263 0
Manoloana ny zava-nisy sy ny fangatahan’ny filoha lefitry ny filankevitra kaominaly kaominina Ambonivohitry Morondava ny hijerena ireo mpikambana ny biraon’ny filankevitra izay tsy mavita ny asany dia nangataka fivoriana tsy aram-potoana ireo mpanolontsain’ny kaominina izay niatomboka androany ka maromaro ireo fandaharam-potoana nodinihina isan’izany ny fanavaozana ny birao ka valo tamin’ireo mpanolontsaina no tonga niatrika izany ka ny roa tamin’ireo dia niatrika tamin’ny fampiasana ny teknolojia.
Tapaka tamin’izany fa nosoloina ny filoha lefitra sy ny mpampiakan-teny roa nohon’ny antony izay tsy fahavitan’izy ireo ny andraikiny amin’ny maha birao maharitra ao amin’ny filankevitra kaominaly azy ireo satria ao ireo tsy afaka ny hamita ny andrainy intsony noho izy efa miasa sy monina any Antananarivo ao koa ireo efa nanala-tena ka mba hitsinjovana sy hampandehanana ny asan’ny filankevitra ary hanafaingana ny asa eo anivon’ny kaominina manomboka izao zany dia i Mamisoa Kevin no filoha lefitry ny filankevitra kaominaly kaominina Ambonivohitry Morondava ary TSIEFOMANA Rodrigue sy RANDRIA Rangomana no mpampiakan-teny, nakatoavin’ny mpanolontsaina androany ihany koa ny fangatahan’ny ben’ny tanana amin’ny fanavaozana ny csb eto Morondava .
Ny tanjon’ny mpanolontsaina dia ny fanajana ny rafitra misy araky ny lalàna ary samy nilaza ireo rehetra tonga nivory fa tsy misy ny olana eo amin’ny samy olom-boafidy fa ny tranga misy no entina ampiarahana amin’ny lalàna.
✍️ RA PA

Related Post

TOLIHO SAKARAHA |SAKARAHA

Posted by - juillet 13, 2024 0
Firaisankina no hoentina hampandroso ny Faritra na Distrika iray ary fifanomezantanana. Tsy solombavambahoaka izay nifidy ahy aho hoy RAPHAEL Jean…

𝐅𝐢𝐤𝐚𝐦𝐛𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐓𝐌𝐌 𝟓𝟎𝟏 | 𝐍𝐚𝐧𝐚𝐭𝐚𝐧𝐭𝐞𝐫𝐚𝐤𝐚 𝐚𝐬𝐚 𝐬𝐨𝐚 𝐭𝐞𝐧𝐲 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐂𝐒𝐁𝟐 𝐓𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐚𝐨 𝐕𝐞𝐫𝐫𝐞𝐫𝐢𝐞

Posted by - juillet 13, 2024 0
𝐅𝐢𝐤𝐚𝐦𝐛𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐓𝐌𝐌 𝟓𝟎𝟏 | 𝐍𝐚𝐧𝐚𝐭𝐚𝐧𝐭𝐞𝐫𝐚𝐤𝐚 𝐚𝐬𝐚 𝐬𝐨𝐚 𝐭𝐞𝐧𝐲 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐂𝐒𝐁𝟐 𝐓𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐚𝐨 𝐕𝐞𝐫𝐫𝐞𝐫𝐢𝐞 —- Toamasina: Nahazo tombony ny vahoaka ao Tanambao…

𝗘𝘁𝗮𝘇𝗼𝗻𝗶𝗮 – 𝗦𝗮𝗹𝗮𝗺𝗮 𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗶𝗹𝗼𝗵𝗮 𝗔𝗺𝗲𝗿𝗶𝗸𝗮𝗻𝗮 𝘁𝗲𝗼 𝗮𝗹𝗼𝗵𝗮 𝗗𝗼𝗻𝗮𝗹𝗱 𝗧𝗿𝘂𝗺𝗽!

Posted by - juillet 14, 2024 0
𝗘𝘁𝗮𝘇𝗼𝗻𝗶𝗮 – 𝗦𝗮𝗹𝗮𝗺𝗮 𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗶𝗹𝗼𝗵𝗮 𝗔𝗺𝗲𝗿𝗶𝗸𝗮𝗻𝗮 𝘁𝗲𝗼 𝗮𝗹𝗼𝗵𝗮 𝗗𝗼𝗻𝗮𝗹𝗱 𝗧𝗿𝘂𝗺𝗽! (𝖭𝗂𝗌𝗒 𝗇𝗂𝗍𝗂𝖿𝗂𝗍𝗋𝖺 𝗍𝖾𝗈 𝖺𝗆𝗉𝖺𝗇𝖺𝗈𝗏𝖺𝗇𝖺 𝖿𝖺𝗆𝗉𝗂𝖾𝗅𝖾𝗓𝖺𝗇-𝗄𝖾𝗏𝗂𝗍𝗋𝖺) ☆Hatairana no nandrenesan`ny vahoaka…