AMBOHIMANGAKELY | FIKAMBANANA OVAINTSIKA NY TANANA

196 0

Androany, 29 Martsa 2024, tetsy amin’ny efitrano Malalaky ny Mada Hotel Ambohimangakely no nifanao fotoana hanao fihaonana sy hifampitafatafa ary indrindra fa ho fifampiarabana samy eo amin’ny Mpikambana ny Fikambanana « Ovaintsika ny Tanana » izay tarihin’Andriamatoa RADAFY Thiery, Ben’ny tanana ny Kaominina Ambohimangakely.

Mpikambana miisa 1000 eo ho eo no tonga nanatrika ity fihaonana ity, ary hita soritra eny amin’ny endrik’izy ireo ny fanantenana fa tena samy vonona hanova ny tanana arak any anarana isaloran’izy ireo.

Nandritra ny lahateny nataon’Andriamatoa Ben’ny tanana no nanatitraterany fa tsy nitsanga-menatra ity Fikambanana ity raha nofidin’ny vahoaka hitantana ny tanana 4 taona lasa izay, ka mampirehareha izany, ary nisaorany manokana ireo niara-niasa taminy , izay nanao soroka miara-milanja sy tongotra miara-mamindra tamin’ny fanatanterahana ny vina « Ovaintsika ny tanana »

Tamin’ny famaranana ny lahateniny, dia nohatitrateriny fa tsy hitandro hasasarana izy ain’ny fampandrosoana hoan’Ambohimangakely, ary maninona mhintsy raha hitarina mankaty amin’ny Distrika Antananarivo Avaradrano iray manontolo, tsy hikely soroka aho hoy izy raha nandray fitenenana, raha resaka fampandrosoan’ny tanana no resaka, fa hanao izay tratry ny herika ho fanatanterahana izany

Nangonin’ Lay Mahintsy

Related Post

Asa sosialy sahanin’ny Fikambanana AFF

Posted by - février 4, 2024 0
𝐅𝐈𝐊𝐀𝐌𝐁𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐘 𝐒𝐘 𝐅𝐎𝐓𝐎𝐓𝐑𝐀 𝐇𝐎 𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐌𝐏𝐀𝐍𝐃𝐑𝐎𝐒𝐎𝐀𝐍𝐀 𝐄𝐓𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐁𝐎𝐑𝐈𝐁𝐎𝐑𝐈𝐓𝐀𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐇𝐀𝟐 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐌𝐈𝐍𝐈𝐒𝐓𝐄𝐑𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐇𝐀𝐒𝐀𝐋𝐀𝐌-𝐁𝐀𝐇𝐎𝐀𝐊𝐀 Tafiditra ao anatin’ny Asa sosialy…