AMBOHIMANGAKELY | FIKAMBANANA OVAINTSIKA NY TANANA

117 0

Androany, 29 Martsa 2024, tetsy amin’ny efitrano Malalaky ny Mada Hotel Ambohimangakely no nifanao fotoana hanao fihaonana sy hifampitafatafa ary indrindra fa ho fifampiarabana samy eo amin’ny Mpikambana ny Fikambanana « Ovaintsika ny Tanana » izay tarihin’Andriamatoa RADAFY Thiery, Ben’ny tanana ny Kaominina Ambohimangakely.

Mpikambana miisa 1000 eo ho eo no tonga nanatrika ity fihaonana ity, ary hita soritra eny amin’ny endrik’izy ireo ny fanantenana fa tena samy vonona hanova ny tanana arak any anarana isaloran’izy ireo.

Nandritra ny lahateny nataon’Andriamatoa Ben’ny tanana no nanatitraterany fa tsy nitsanga-menatra ity Fikambanana ity raha nofidin’ny vahoaka hitantana ny tanana 4 taona lasa izay, ka mampirehareha izany, ary nisaorany manokana ireo niara-niasa taminy , izay nanao soroka miara-milanja sy tongotra miara-mamindra tamin’ny fanatanterahana ny vina « Ovaintsika ny tanana »

Tamin’ny famaranana ny lahateniny, dia nohatitrateriny fa tsy hitandro hasasarana izy ain’ny fampandrosoana hoan’Ambohimangakely, ary maninona mhintsy raha hitarina mankaty amin’ny Distrika Antananarivo Avaradrano iray manontolo, tsy hikely soroka aho hoy izy raha nandray fitenenana, raha resaka fampandrosoan’ny tanana no resaka, fa hanao izay tratry ny herika ho fanatanterahana izany

Nangonin’ Lay Mahintsy

Related Post

𝐋𝐀𝐕𝐎𝐍’𝐍𝐘 𝐁𝐀𝐋𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐙𝐀𝐍𝐃𝐀𝐑𝐈𝐌𝐀𝐑𝐈𝐀 𝐀𝐍𝐃𝐈𝐋𝐀𝐌𝐄𝐍𝐀 𝐈𝐋𝐀𝐘 𝐊𝐀𝐑𝐓𝐈𝐄 𝐌𝐎𝐁𝐈𝐋𝐘 𝐃𝐀𝐇𝐀𝐋𝐎 « 𝐑𝐀𝐊𝐎𝐓𝐎𝐒𝐎𝐀 𝐃𝐈𝐓 𝐊𝐎𝐓𝐎

Posted by - mars 24, 2025 0
𝘽𝙀𝙏𝘼𝙇𝙀𝙑𝘼𝙉𝘼 𝙎𝙔 𝘼𝙈𝘽𝘼𝙏𝙊𝙈𝘼𝙇𝘼𝙈𝘼, 𝙁𝙊𝙆𝙊𝙉𝙏𝘼𝙉𝙔 𝘼𝙉𝙄𝙎𝘼𝙉’𝙄𝙍𝙀𝙊 𝙈𝘼𝙁𝘼𝙉𝘼 𝘼𝙈𝙄𝙉’𝙉𝙔 𝙃𝘼𝙇𝘼𝙏𝙍’𝙊𝙈𝘽𝙔 𝘼𝙊 𝘼𝙈𝙄𝙉’𝙉𝙔 𝙆𝘼𝙊𝙈𝙄𝙉𝙄𝙉𝘼 𝘼𝙈𝘽𝘼𝙉𝙄𝙑𝙊𝙃𝙄𝙏𝙍𝘼 𝘽𝙀𝙈𝘼𝙄𝙏𝙎𝙊, 𝘿𝙄𝙎𝙏𝙍𝙄𝙆𝘼 𝘼𝙉𝘿𝙄𝙇𝘼𝙈𝙀𝙉𝘼. Nirotsaka tany an-toerana ny Komandà…