Nahazo fokontany ny tananan’i Lohafasika ao amin’ny Kaominina Ambanivohitra

691 0
Vao nahazo fokontany ny tananan’i Lohafasika ao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Ambatosoratra, Distrikan’Ambatondrazaka dia nanorina efitrano fianarana ireo fokonolona tany an-toerana.
Ny taona 2008 dia rodana izany efitrano fianarana izany ka nangataka tamin’ny Fitondram-panjakana tamin’izany fotoana ny hanorenana efitrano vaovao ireo vahoaka saingy tsy nahazo valiny. Kandida solombavam-bahoaka vehivavy tamin’izany fotoana kosa no nanolotra ity trano fianarana vita amin’ny zozoro ity mba nahafahan’ny ankizy nanohy ny fianarana.
Taty aoriana dia manapak’evitra ny fokonolona ny hanorina efitrano fianarana vaovao ka nanome tanana azy ireo ny Fitondram-panjakana tamin’ny famitana izany efitrano izany saingy tsy mbola ampy izany koa mangataka amin’ny Fitondram-panjakana izy ireo mba hanorona efitrano fianarana fanampiny.
Etsy andaniny kosa dia misaotra ny Fitondram-panjakana ireo vahoaka any an-toerana fa mandry fahalemana ny tany tato anatin’ny 5 taona izay
📝 𝑵𝒂𝒏𝒈𝒐𝒏𝒊𝒏’𝒊 𝑳𝒐𝒗𝒂 𝑱𝒂𝒏𝒂̀

Related Post

𝐅𝐚𝐧𝐨𝐥𝐨𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐚𝐫𝐢-𝐛𝐨𝐧𝐢𝐧𝐚𝐡𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐡𝐨 𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐀𝐧𝐭𝐢𝐥𝐢𝐧’𝐈 𝐌𝐚𝐝𝐚𝐠𝐚𝐬𝐢𝐤𝐚𝐫𝐚 – 𝐃𝐢𝐨𝐬𝐞𝐳𝐲 𝐀𝐧𝐭𝐢𝐫𝐚𝐛𝐞.

Posted by - avril 1, 2025 0
Tanora manodidina ny 60 mpikambana ao amin’ny Antilin’i Madagasikara eto amin’ny diosezin’Antsirabe no nahazo ny mari-boninahitra avy amin’ny fiangonana katolika.Natomboka…

CROIX ROUGE MALAGASY

Posted by - janvier 15, 2025 0
Nanatanteraka hetsika fanetanana ireo mpilatsaka antsitra_po avy ao amin’ny croix rouge Malagasy ato Morondava manatanteraka fanairana sy fanetanana mikasika ny…