FANOLORANA MARI-PAHAIZANA IREO VEHIVAVY VOAFONJA AO ANTANIMORA

333 0
📌Ny faha 28 martsa 2024, dia tonga teto amin’ny fonjan’Antanimora ny Talen’ny Agence Française de Développement, ny Tale jeneralin’ny Fandraharahana ny Fonja, izay nisolo-tena an-dRamatoa Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, ary ny mpandrindra ny Fandaharan’asa FANARENANA, sy ny Talé misahana ny mahaolona sy ny fiahiana ireo voafonja, ary nanolotra tamin’ny fomba ofisialy ireo mari-pahaizana ho an’ireo vehivavy voafonja miisa 202, izay nahavita antsakany sy andavany ny fiofanana zaitra, fandrahoana sakafo, taovolo, fanamboarana mofomamy, ….
 
➡️Iaraha-mahalala tokoa fa isan’ny tanjona napetraky ny Fitondram-panjakana amin’ny fanantanterahana ny andry voalohany mahakasika ny « maha-olona » na « capital humain », ny fanomezana fampiofanana ho an’ireo voafonja, ho fampianarana azy ireo, fa indrindra ho fanampiana amin’ny fitadiavana asa sy ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’izy ireo, antoka hiantohana ny hoavin’izy ireo. Tafiditra tanteraka ao anatin’izany ny fanomezana fiofanana ireto voafonja vehivavy eto Antanimora ireto. Tafiditra tsara ao anatin’ny politikan’ny Ministeran’ny Fitsarana ihany koa izao hetsika izao, satria anisan’ny tanjona napetraka, amin’ny alalan’ny Fandraharahana ny Fonja, ny fametrahana tetik’ady ahafana manomana sahady ny famerenana ireo voafonja eny anivon’ny fiaraha-monina.
 
✅Ka nanampy betsaka tamin’ny fanatanterahana izany ireo mpiara-miombon’antoka maro, izay miasa eo anivon’ny Fonjan’Antanimora.
 
⭕ Ny Ministeran’ny Fitsarana, amin’ny alalan’ny Fandaharan’asa FANARENANA dia nametraka tanjona kendrena toy izao manaraka izao :
– Fanatsarana ny toem-piainan’ireo voafonja ;
– Fanatsarana ny farim-piainana sy ny fanomanana ny fiverenan’ireo voafonja eny anivon’ny fiaramonina.
– Fanatevenana traikefa sy ny fitantanana momba ny fandraharahana ny fonja sy ny fitantanana eo anivon’ireo toeram-pamonjana ;
– Miahy sy mandrindra ary manara-maso ny fanatanterahana ireo lamin’asa napetraka.
⭕Arak’izany ny Programan’asa FANARENANA dia nametraka ny vina ho fanatsarana ny sehatr’asan’ireo mpandraharahan’ny fonja ary koa ny fiaimpiainan’ireo voafonja sy ny fanomanana ny fiverenan’izy ireo eny anivon’ny fiarahamonina.
 
 

Related Post

𝐑𝐚𝐦𝐚𝐭𝐨𝐚  𝐑𝐀𝐋𝐀𝐍𝐓𝐎𝐍𝐈𝐀𝐈𝐍𝐀 𝐋𝐲𝐝𝐢𝐚   𝐧𝐨𝐦𝐞𝐧’𝐧𝐲 𝐕𝐚𝐡𝐨𝐚𝐤𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐊𝐀𝐎𝐌𝐈𝐍𝐈𝐍𝐀 𝐈𝐅𝐀𝐍𝐀𝐃𝐈𝐀𝐍𝐀 𝐟𝐚𝐡𝐚𝐭𝐨𝐤𝐢𝐬𝐚𝐧𝐚 𝐡𝐚𝐭𝐫𝐚𝐧𝐲

Posted by - mars 28, 2025 0
Indroa miantoana amin’izao fotoana izao no nitantanan’i Ramatoa  𝐑𝐀𝐋𝐀𝐍𝐓𝐎𝐍𝐈𝐀𝐈𝐍𝐀 𝐋𝐲𝐝𝐢𝐚  ny Kaominina Renivohitra Ifanadina, ao anatin’ny Distrika Ifanadina, ao amin’ny…