π…πšπ§πžπ‘π¨πšπ§πš πšπ¦π›πšπ§π² 𝐟𝐚𝐧𝐞𝐯𝐚 𝐧𝐲 𝐦𝐒𝐚𝐫𝐚𝐦𝐒π₯𝐚 𝐚𝐧𝐭𝐨𝐀𝐨 𝐭𝐚𝐨𝐧𝐚 πŸπŸŽπŸπŸ“ 𝐚𝐧𝐝𝐒𝐚𝐧𝐲 𝐯𝐨𝐚π₯𝐨𝐑𝐚𝐧𝐲.

122 0
Rehefa avy niatrika ny sedra sy nanaraka ny fiofanana fototra ara-miaramila nandritra ny telo volana teto amin’ny Akademia Miaramila Antsirabe izy 102 mirahalahy anatin’ny antoko taona 2025 andiany voalohany dia mendrika naseho ambany faneva ny alarobia teo.Miaramila feno araka izany izy ireo ary mendrika ny hanao ny fanamiana miaramila hanompo ny tanindrazana sy ny vahoala Malagasy.”
Ny fanehoana ambany faneva izay midika ho fanaovana velirano sy fianianana ary ho fandraisana ho anatin’ny fianakaviamben’ny tafika Malagasy.Asehoy fa mendrika ianareo na amin’ny teny na amin’ny fihetsika na amin’ny asa, indrindra amin’ny fanajana ny fitsipi-pifehezana” hoy ny komandin’ny Akademia Miaramila Antsirabe nitarika ny lanonana.Taorian’ny fanehoana ambany faneva dia nisy ny fametahana ny galona azy 10 mirahalahy nahazo ny laharamboninahitra kilasy voalohany.
Hanao ny fanompom-pirenena mandritra ny roa taona eto amin’ny Akademia Miaramila Antsirabe izy 102 mirahalahy.Nofaranana tamin’ny famindrana ny lanonana ara-miaramila natao omaly.
✍️ RANDRIA

Related Post

𝗠𝗔𝗑𝗗π—₯π—œπ—§π—¦π—”π—₯𝗔 – π—Ÿπ—˜π—›π—œπ—Ÿπ—”π—›π—¬ 40 𝗧𝗔𝗒𝗑𝗔 π—‘π—”π—‘π—’π—Ÿπ—”π—‘π—” 𝗭𝗔𝗭𝗔𝗩𝗔𝗩𝗬 11 𝗧𝗔𝗒𝗑𝗔

Posted by - fΓ©vrier 5, 2024 0
𝗠𝗔𝗑𝗗π—₯π—œπ—§π—¦π—”π—₯𝗔 – π—Ÿπ—˜π—›π—œπ—Ÿπ—”π—›π—¬ 40 𝗧𝗔𝗒𝗑𝗔 π—‘π—”π—‘π—’π—Ÿπ—”π—‘π—” 𝗭𝗔𝗭𝗔𝗩𝗔𝗩𝗬 11 𝗧𝗔𝗒𝗑𝗔 (𝐍𝐚𝐨π₯𝐚𝐧𝐲 𝐬𝐚𝐝𝐲 𝐧𝐨𝐫𝐚𝐑𝐨𝐧𝐚𝐧𝐲 𝐑𝐨 𝐟𝐚𝐭𝐲…) πŸ“Œ Rangahy iray 40 taona nanolana…

𝐌𝐚𝐧𝐝𝐫𝐒𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚 – 𝐇𝐨 𝐚𝐳𝐨 𝐚𝐧𝐭𝐨𝐀𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐝𝐫𝐒𝐚𝐦𝐩𝐚𝐑𝐚π₯𝐞𝐦𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐦𝐒𝐧`𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐫𝐒𝐭𝐫𝐚 π₯𝐨𝐑𝐚𝐫𝐚𝐧𝐨

Posted by - avril 28, 2024 0
𝐌𝐚𝐧𝐝𝐫𝐒𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚 – 𝐇𝐨 𝐚𝐳𝐨 𝐚𝐧𝐭𝐨𝐀𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐝𝐫𝐒𝐚𝐦𝐩𝐚𝐑𝐚π₯𝐞𝐦𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐦𝐒𝐧`𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐫𝐒𝐭𝐫𝐚 π₯𝐨𝐑𝐚𝐫𝐚𝐧𝐨 (π‘΅π’‚π’π’π’Žπ’† π’•π’π’Œπ’π’•π’‚π’π’š 𝒉𝒂𝒏𝒐𝒓𝒆𝒏𝒂𝒏`π’π’š π’π’‚π’π’…π’‚π’“π’š π’•π’π’ƒπ’š π’π’š π’‡π’π’Œπ’π’π’π’π’π’π’‚ 𝒂𝒐 π‘¨π’Žπ’ƒπ’‚π’“π’Šπ’‘π’‚π’Šπ’Œπ’‚ 𝒓𝒆𝒉𝒆𝒇𝒂…