Nankalaza ny faha 30 taona nijoroany ny Hay ady Jet Kune do de Madagascar ny faha 27 Martsa 2024 lasa teo, ka tany Antsirabe, Renivohitr’i Vakinankaratra ,ao amin’ny efitrano malalaky ny Espace Rojo no nanamarihana izany ary nisolotena ny Governora Atoa Randriamparany Jean Pierre (Mpanolontsaina). Izay tonga an’ity nanatontosana fankazalana ity. Ankoatrin’ny filaharam-be nanodidina ny tanana nataon’ireo Mpikatroka izay tonga marobe manerana ny Nosy sy ny hetsika samy hafa nentina nanamarihana izany dia nisy ireo lahateny samy hafa nentina nampahafantarana ity Hay ady nolovaina tamin’i Buce Lee ity.
Haiady nosintonina tamin’ny fomba fisainan’ny mpamorona haiady iray dia ‘’Bruce Lee” ny Jeet kune Do JKD, ankoatrany ‘ny maha haiady azy mifototra amin’ny fiarovan-tena dia mametraka toetsaina mankany amin’ny fandresena hatrany ny “Jeet Kune Do,tany amin’ny taona 1967 no niforoanan’ny JKD ary ankehitriny efa tena mipariaka manerana izao tontolo izao. Raha ny an’i Madagasikara manokana no asian-teny dia ny Grand Maitre Michel na i RASOANAIVO Michel no nitondra izany teto, ary efa miparitaka manerana an’i Madagasikara.
« Mirehareha hatrany I Vakinankaratra amin’ny fanananay atleta sangany amin’ity karazam-panatanjahantena » ity hoy Andriamatoa Randriamparany Jean Pierre Mpanolontsainan’i Faritra Vakinankratra raha nandray fitenenana, ary mnirary soa sy fahombiaza hatrany hoan’ny JKD koa ny tenany.
Nangonin ‘Lay Mahintsy