« FANDRIAKA » asa tagnamaro mampiavaka ny foko Tsimihety.

304 0
📌 Azo lazaina koa hoe, fanomezan-tanana amin’ny asa atao ho an’ny mpiara-belona, itaomana ny mpiray tanana na Fikambanana, asa atao antsitra-po tsy misy tambiny. Tanterahina amin’ny karazana asa maro toa fananganana trano…
 
📌 Kolontsaina manana ny maha izy azy satria mamelona ny firaisankina sy fihavanana amin’ny fiarahamonina ny Fandriaka. Nanatanteraka izany i Iavizaka dite mama Evi, izay monina eto Mandritsara. Nitaona Fikambanam-behivavy mitotaly 25 izy ka nifarimbona nanetsa vary tetsy amin’ny lemak’i Andilana androany zoma 26 janoary 2024. Vehivavy 200 mahery no tonga namaly antso nandritra izany.
 
📌 Mahatsara ny Fandriaka ny fahainganan’ny fahavitan’ny asa noho ny fisian’ny firaisankina izay. Tanim-bary 1 hektara eo no nanaovana ny asa. Afapo ny tompon’ny asa teto ka nanolotra fisaorana mitafotafo ireo nanampy. Isany nanome tosika azy ireto ny filoham-boninahitry ny TMT (Tanoran’i Mandritsara Tompon’andraikitra) Rakoto Jean René, nanome lela-vola 100.000 Ar ny tenany nentin’ireo Fikambanana nanampiana ny kitapom-bola.
 
📌 Tanjona tamin’ny hetsika ity hamohafohana ny firaisankina amin’ny Fikambanam-behivavy anivon’ny fokontany amin’ny sahavavan’Andilana, Ambohibary, Adilambola… Hialana koa amin’ny fahazarana amin’ny fisian’ny asa misy tambiny (par jour) raha toa ka azo vitaina anatin’ny fotoana fohy izany amin’ny alalan’ny fanaovana Fandriaka.
 
🆔 Claudio

Related Post

𝐌𝐚𝐧𝐝𝐫𝐢𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚 – 𝐌𝐏𝐀𝐍𝐀𝐌𝐏𝐘 𝐍𝐀𝐌𝐀𝐃𝐈𝐊𝐀 𝐌𝐏𝐀𝐌𝐏𝐈𝐀𝐒𝐀 𝐀𝐙𝐘

Posted by - février 9, 2024 0
𝐌𝐚𝐧𝐝𝐫𝐢𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚 – 𝐌𝐏𝐀𝐍𝐀𝐌𝐏𝐘 𝐍𝐀𝐌𝐀𝐃𝐈𝐊𝐀 𝐌𝐏𝐀𝐌𝐏𝐈𝐀𝐒𝐀 𝐀𝐙𝐘 (𝐍𝐚𝐧𝐠𝐚𝐥𝐚𝐫𝐢𝐧𝐲 𝐚𝐯𝐨𝐤𝐨𝐚 𝐧𝐲 𝐤𝐨𝐣𝐚𝐤𝐨𝐣𝐚 𝐭𝐚𝐨 𝐚𝐧-𝐭𝐨𝐤𝐚𝐧𝐭𝐫𝐚𝐧𝐨, 𝐧𝐚𝐧𝐝𝐨𝐬𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐧𝐨𝐝𝐲 𝐚𝐦𝐛𝐚𝐧𝐢𝐯𝐨𝐡𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐚𝐯𝐲 𝐞𝐨…)   ✦Tovovavy iray…