๐— ๐—˜๐—ก๐—”๐—•๐—˜ : ๐—›๐—ฎ๐˜ƒ๐—ฒ๐—ฟ๐—ถ๐—ป๐—ฎ ๐—ต๐—ฎ๐˜€๐—ถ๐—ป๐—ฎ ๐—ป๐˜† ๐—ณ๐—ฎ๐—ฑ๐˜† ๐˜€๐˜† ๐—ป๐˜† ๐˜€๐—ผ๐—ฎ๐˜๐—ผ๐—ฎ๐˜ƒ๐—ถ๐—ป๐—ฎ ๐—ป๐—ฒ๐—ป๐˜๐—ถ๐—ป-๐—ฑ๐—ฟ๐—ฎ๐˜‡๐—ฎ๐—ป๐—ฎ

75 0

Tafiditra anatinโ€™ny politika lehibe napetraky ny Ministeranโ€™ny Serasera sy ny Kolontsaina ny famerenana hasina ny tany sy ny fampahatsiahivana ireo fady ary fomba amam-panao nentin-drazana manerana anโ€™i Madagasikara. Ho anโ€™ny Fitaleovam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina Menabe dia laharam-pahamehana ny fampahafantarana sy fampanajana indray ireo soatoavina ara-kolontsaina izay anisanโ€™ny mampiavaka sy miaro ny maha-izy ny faritra Menabe.

Araka ny fanazavanโ€™Andriamatoa Joe Kamamy Modestin, talem-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina Menabe, dia maro aminโ€™ireo fady sy fomba nentin-drazana no manomboka voahosihosy sy tsy hajaina intsony aminโ€™izao fotoana izao. Nambarany fa mety hiteraka olana ara-tsosialy sy ara-kolontsaina  eo aminโ€™ny fiarahamonina izany tsy fanajana izany.

Noho io antony io dia hisy ny fakan-kevitra lehibe mahakasika ireo fady misy eto aminโ€™ny faritra Menabe. Efa natomboka tany Ankimony ny dinika sy fifampidinihana niarahana taminโ€™ireo ray aman-dreny ara-drazana sy tomponโ€™andraikitra isan-tsokajiny, ary mbola hitohy manerana ny faritra Menabe izany. Anisanโ€™ireo voakasiky ny fakan-kevitra ny any Belo sur Tsiribihina, izay ahitana tranga mampiady hevitra momba ny fanajana ny fady eny aminโ€™ny reniranonโ€™i Tsiribihina.

Fantatra mantsy fa araka ny fomba sy finoana nentin-drazana ao an-toerana dia isanโ€™ny fady eny aminโ€™io renirano io ny kisoa. Voarara, araka izany, ny fampitana na fampandroana kisoa aminโ€™ny ranonโ€™i Tsiribihina. Na izany aza anefa dia hita aminโ€™izao fotoana izao fa misy ny tsy fanajana izany fomba izany, ka lasa ampiasaina hitondrana sy hanasana kisoa mihitsy ny renirano.

Nohamafisinโ€™ny Fitaleovam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina Menabe fa hisy aloha ny fifampidinihana sy ny fakan-kevitra miaraka aminโ€™ireo raiamandreny ara-drazana sy tomponโ€™andraikitra eny ifotony, ary aorianโ€™izay vao handraisana ireo fepetra mifanaraka aminโ€™ny zava-misy sy ny fanajana ny hasinโ€™ny tany.

Tsiahivina fa ny fady sy ny fomba amam-panao dia anisanโ€™ny vakoka ara-kolontsaina Malagasy, ka ny fiarovana sy fampitana izany aminโ€™ny taranaka faramandimby dia adidy iombonana. Ho anโ€™i Menabe manokana, dia heverina ho antoky ny firaisankina sy ny fitandroana ny maha-izy azy ny fanajana ireo soatoavina nentin-drazana.

Related Post

๐—™๐—œ๐—ง๐—ข๐—ก๐——๐—ฅ๐—”๐—ก๐—” ๐—”๐—ฅ๐—”-๐——๐—ฅ๐—”๐—ญ๐—”๐—ก๐—”

Posted by - juin 16, 2025 0
๐“๐ฌ๐ฒ ๐ž๐ค๐ž๐ง๐š ๐ง๐ฒ ๐ญ๐ฌ๐ฒ ๐Ÿ๐š๐ง๐š๐ฃ๐š๐ง๐š ๐ง๐ฒ ๐Ÿ๐จ๐ฆ๐›๐š๐ง-๐๐ซ๐š๐ณ๐š๐ง๐š ๐ค๐š๐ฌ๐š๐ข๐ง’๐ข๐ซ๐ž๐จ ๐ก๐š๐ง๐š๐ง๐๐ซ๐š๐ญ๐ซ๐š ๐€๐ฆ๐ฉ๐š๐ง๐ฃ๐š๐ค๐š ๐š๐จ ๐๐ž๐ฅ๐จ ๐ฌ๐ฎ๐ซ ๐“๐ฌ๐ข๐ซ๐ข๐›๐ข๐ก๐ข๐ง๐š Ny asabotsy faha 14 Jiona teo…