Mpikabary vaovao miisa 873, ao anatinโny andiany โENI-MANGAMANGAโ, no navoaka taminโny fomba ofisialy androany teny aminโny Kianja Maitso Analamahitsy. Izy ireo dia avy aminโny FI.MPI.MA. Faritany Antananarivo, izay ivondronanโny faritra Analamanga, Bongolava ary Itasy.
Notanterahina teny aminโny Kianja Maitso Analamahitsy ny lanonana famoahana ireo mpianatra nahavita fiofanana momba ny kabary malagasy teo anivonโny Fikambananโny Mpikabary Malagasy โ FI.MPI.MA. Faritany Antananarivo.
Miisa 873 mianadahy ireo mpikabary vaovao ao aminโny andiany โENI-MANGAMANGAโ. Manomboka izao dia antenaina handray anjara aminโny fampitana sy ny fampiroboroboana ny kabary, ny kolontsaina ary ny soatoavina malagasy eny anivonโny fiarahamonina izy ireo.
๐๐๐ฃ๐ฉ๐๐ฃ๐๐ฃ๐ ๐๐ค ๐๐๐ฉ๐๐ง๐๐ฉ๐ง๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐๐ง๐๐๐๐ข๐ค๐ฃ๐๐ฃ๐
Nanatrika sy nitarika ny lanonana ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, GASCAR Fenosoa. Nandritra ny lahateniny dia nanantitrantitra izy fa tsy voafetra aminโny fahaizana miteny eo anatrehanโny olona ihany ny andraikitry ny mpikabary, fa mitaky fahamendrehana sy fitondran-tena mendrika ihany koa.
ยซ Aoka ho modely aminโny rehetra isika mpikabary, na aminโny fitafy fotsiny aza. Hiditra aminโny sehatra matihanina ianareo manomboka androany ยป, hoy izy.
Nampahatsiahivinโny minisitra taminโizany fa ny mpikabary dia matetika raisina ho fitaratra sy mpampita hafatra eo anivonโny fiarahamonina. Noho izany, ilaina ny fanajana ny teny ampiasaina, ny fomba fitafy, ny fihetsika ary ny hasinโny lanonana anatanterahana ny kabary.
๐ง๐๐ผ-๐ฑ๐ฟ๐ฎ๐ป๐ผ ๐ฎ๐๐ ๐ฎ๐บ๐ถ๐ปโ๐ป๐ ๐๐ถ๐ฟ๐ฎ๐ผ ๐๐ผ๐ถ๐ฏ๐ฒ
Nanome voninahitra ny fotoana ihany koa ireo solontenanโny Birao Foibenโny FI.MPI.MA., notarihinโny filoha maneran-tany, Ramatoa Hanitra ANDRIAMBOAVONJY.
Niarahaba ireo mpianatra nahavita fiofanana izy ireo ary nanome tso-drano azy ireo aminโny andraikitra vaovao miandry azy eo aminโny sehatry ny kabary. Notsindriana nandritra ny lanonana fa manana anjara toerana lehibe aminโny fiarovana sy fampitana ny vakoka ara-kolontsaina malagasy ny mpikabary.
Araka ny fanazavana nampitaina nandritra ny fotoana, ankoatra ny fisianโny FI.MPI.MA. aminโireo faritra maro eto Madagasikara, dia efa misy mpikambana sy rafitra mifandray aminy any aminโny firenena manodidina ny 30.
๐ ๐ถ๐๐ผ๐ธ๐ฎ๐๐ฟ๐ฎ ๐ต๐ผ ๐ฎ๐ปโ๐ป๐ ๐๐ฒ๐ต๐ถ๐๐ฎ๐๐ ๐๐ ๐ป๐ ๐น๐ฒ๐ต๐ถ๐น๐ฎ๐ต๐
Tsy misy fanavahana ny lahy sy ny vavy aminโny fianarana sy ny fanatanterahana ny kabary malagasy. Samy afaka mirotsaka aminโizany ireo liana, raha vonona hanaraka fiofanana sy hanaja ny fenitra ary ny soatoavina ijoroanโny fikambanana.
Ny mpikabary dia manana andraikitra aminโny fotoana maro eo aminโny fiainanโny Malagasy. Antsoina izy ireo aminโny lanonana ara-pianakaviana sy ara-tsosialy, toy ny fangataham-bady, fanambadiana, famadihana ary fankalazana samihafa. Manana toerana lehibe ihany koa izy ireo aminโny fotoam-pahoriana, indrindra aminโny fampiononana sy ny fandrindrana ny fandraisam-pitenenana mandritra ny fahafatesana.
๐๐ฎ๐ฏ๐ฎ๐ฟ๐ ๐๐ฒ๐น๐ผ๐ป๐ฎ, ๐ธ๐ผ๐น๐ผ๐ป๐๐๐ฎ๐ถ๐ป๐ฎ ๐๐ผ๐ฎ๐๐ฎ๐ต๐ถ๐ฟ๐
Ny famoahana mpikabary vaovao 873 dia maneho ny fitohizanโny ezaka aminโny fampitana ny kabary aminโny taranaka vaovao. Ankoatra ny maha-zavakanto am-bava azy, ny kabary dia fitaovana iray mitahiry ny teny, ny fomba fisainana, ny fihavanana ary ny maha-Malagasy.
Ny fanamby miandry ireo mpikabary vaovao dia ny hampifanaraka izany vakoka izany aminโny fiainana ankehitriny, sady mitazona ny fahamendrehana, ny fanajana ary ny hasinโny teny malagasy.
Nangonin’ Lay Mahitsy




