….๐—›๐—˜๐—ง๐—ฆ๐—œ๐—ž๐—” ๐—™๐—ข๐—ง๐—ฆ๐—ฌ

154 0
*** Hindramina manokana amin’i TSILA ity Tonon-kalo ity ***
….๐—›๐—˜๐—ง๐—ฆ๐—œ๐—ž๐—” ๐—™๐—ข๐—ง๐—ฆ๐—ฌ
Lasalasa teo ny saiko , Maka rivotra eto an’dRova
Mety anjara ve ny antsika raha nitovy fombafomba?
Zary toa mahavalalanina ny fizotran’ny tantara
Misy tiana fa tsy tia , ny Samy tia nefa tsy anjara
.
Mitanondrika aho mahatsiaro , iza nefa no omen-tsiny
Ny ahy fitia adaladala , napetraka amin’ny mpivahiny
Nino loatra ny fitia ka tsy nisaina izany mihitsy
Ny ho vadiana hono Maro , ny ho rafozanina no tsisy
.
Misy zavatra hahatsiarovako ny feonao mandrotsirotsy
Tranga teny Ambohijatovo io tamin’ilay hetsika fotsy
Izaho mpanoratra mitolona , sady koa tomady tsara
Vonombonona eny foana ,vao tolona ho an’ny Gasikara
.
Poa,poa ,hoy ny feo tsisy intsony andraso andraso
Nirefodrefotra ny baomba mampandatsa-dranomaso
Nisavoritaka ny mpioko , namonjy ny elakelan-trano
Dia iny ianao nanatona ahy ,nanolotra tavoangin-drano
.
Sepotsepotra aho nandady , saika torana avy hatrany
Sao dia lemana ny maso hoy ianao Raha nanontany
Izaho jambena tsy mahita , ny feonao mirokoroko
Olona tsy haiko akory fa dia nidoboka ny foko
.
Ary teo no fanombohan’ilay tantarantsika roa
Tolona ho an’ny tanindrazana , isika koa nafana fo
Nandamoaka moa ny kiry, tsisy vokany ny vita
Saingy iny tolona iny no nampisy ny amintsika
.
Eto indray aho lasa saina , sady makamaka toky
Mety ho nisy ve ny antsika, raha tsy nisy HETSIKA FOTSY ?
Nosoratan’i TSILA

Related Post

๐—™๐—œ๐—ง๐—ข๐—ก๐——๐—ฅ๐—”๐—ก๐—” ๐—”๐—ฅ๐—”-๐——๐—ฅ๐—”๐—ญ๐—”๐—ก๐—”

Posted by - juin 16, 2025 0
๐“๐ฌ๐ฒ ๐ž๐ค๐ž๐ง๐š ๐ง๐ฒ ๐ญ๐ฌ๐ฒ ๐Ÿ๐š๐ง๐š๐ฃ๐š๐ง๐š ๐ง๐ฒ ๐Ÿ๐จ๐ฆ๐›๐š๐ง-๐๐ซ๐š๐ณ๐š๐ง๐š ๐ค๐š๐ฌ๐š๐ข๐ง’๐ข๐ซ๐ž๐จ ๐ก๐š๐ง๐š๐ง๐๐ซ๐š๐ญ๐ซ๐š ๐€๐ฆ๐ฉ๐š๐ง๐ฃ๐š๐ค๐š ๐š๐จ ๐๐ž๐ฅ๐จ ๐ฌ๐ฎ๐ซ ๐“๐ฌ๐ข๐ซ๐ข๐›๐ข๐ก๐ข๐ง๐š Ny asabotsy faha 14 Jiona teo…

๐…๐„๐’๐“๐ˆ๐•๐€๐‹ ๐ˆ๐Ž’๐‘๐„๐๐€๐‹๐€ ๐ƒ๐€๐˜๐’

Posted by - dรฉcembre 19, 2024 0
๐‘ฏ๐’ ๐’•๐’‚๐’๐’•๐’†๐’“๐’‚๐’‰๐’Š๐’๐’‚ ๐’๐’š 20 ๐’”๐’š 21 ๐’‚๐’“๐’š 22 ๐’…๐’†๐’„๐’†๐’Ž๐’ƒ๐’“๐’† ๐’Š๐’›๐’‚๐’ ๐’๐’š ๐‘ญ๐’†๐’”๐’•๐’Š๐’—๐’‚๐’ ๐’Š๐’’๐‘น๐’†๐’๐’‚๐’๐’‚ ๐‘ซ๐’‚๐’š๐’” ๐’Š๐’›๐’‚๐’š ๐’‚๐’•๐’‚๐’ ๐’†๐’•๐’ ๐‘ด๐’๐’“๐’๐’๐’…๐’‚๐’—๐’‚ ; ๐’‰๐’†๐’•๐’”๐’Š๐’Œ๐’‚…