Soanierana-Ivongo fanatanjahantena : Tanora maro nomena fiofanana mitsara baolinakitra nomena mari-pankasitrahana .

518 0

📌 Matetika ahita olana eny amin’ny fitsarana baolina kitra eny anivin’ny Kaominina sy Fokontany maromaro mandrafitra ny distrikan’i Soanierana Ivongo .

📌 Solontena avy amin’ny kaomina valo no fantatra fa nandray anjara ankoatra ny Manompana izay tsy nahitana solontena . Ho fisorohana izany dia tanora miisa 30 tonga nanao fiofanana nandritra ny telo andro, ka 20 aminireo vao nomena fiofanana , fa ny 10 efa mpitsara lalao baolinakitra izay nanatevina ny traikefa .

📌 Satria mivoatra isan’andro ny tontolon’ny sehatrin’ny fitsarana lalao baolinakitra sy ny lalàna mifehy izay ampiharina .

📌 Afaka mampitombo traikefa ny tanora mpitsara baolinakitra indrindra amin’ny fianarana teny vahiny maromaro .

🆔 Nangonin’i : Brudo Raseta

Related Post