FAMARANANA LALAO BAOLINA KITRA KOPY AOMBY TAO VOHITRAMBO

42 0
πŸ“Œ Tontosantsika ny faha 27 DΓ©cembre 2023 lasa teo ny lalao famaranana ho an’ny Kopy aomby vositry matavy be ho an’ ny 8 kaominina avara- drano distrikan’ i Vangaindrano ka ny kaominina Tsiantely no nibata ny Omby matavy raha nandresy ny Kaominin’ i Fonilaza tamin’ny isa 1 noho 0 i Tsiately, fa teo amin’ny laharana faha 3 kosa no nisy ny kaominina Vohitrambo mpampiatrano.
 
πŸ“Œ Samy notolorantsika baolina sy fanamiana mitovy avy ireo ekipa 8 nandray anjara dia i Tsiantely, Soamagnova, Fonilaza, Vohitrambo, Agnilobe, Ihara, Bemaha ary Lopary, koa raha omby ny azon’ ny mpandresy tamin’ izany dia lelavola mitentina 400.000Ar ar kosa no azon ‘ ny laharana faha- 2, ary nahazo vola solona ranomboakazo kosa ny faha 3.
 
πŸ“Œ Amin’ ity volana janoary 2024 ity kosa ary dia hitodika any amin’ ny kaominina 8 any Manambondro indray ny hetsika ho fanomezantsika sehatra ny tanora ka mbola omby vositry matavy be ihany koa ny hiadiana amin’ izany, izay miditra amin’ ny Β Β» zone Β Β» faha 3 isika amin’ izany, ary ny ao Vangaindrano Β Β» zone Β Β» faha 4 kosa dia ireo kaominana 4 tafakatra amin’ ireo zone efatra ireo no hiady ny Amboaran’ i Menagnara hatao ao Vangaindrano.
 
πŸ“Œ Ny Goverinoran’ ny Faritra Atsimo Atsinanana Docteur MAHAFAKY Justin moa dia tsy sasatra ny mikatsaka izay hahasoa antsika tanora aty amin’ ny Faritra Atsimo Atsinanana sy hanome fialam- boly ihany koa amin’ ny alalan’ ny fanatanjahantena, hialantsika amin’ ny fisotroana zava- pisotro mahamamo sy ny fidorohana zava- maha- domelina, ka hananantsika tanora mendrika ho an’ ny Faritra Atsimo Atsinanana.
 

Related Post