๐— ๐—ผ๐—ฟ๐—ผ๐—ป๐—ฑ๐—ฎ๐˜ƒ๐—ฎ : ๐—ก๐—ฎ๐—ป๐—ฎ๐—ผ ๐˜€๐—ผ๐—ป๐—ถ๐—ฎ ๐—ณ๐—ถ๐—ฎ๐—ฟ๐—ฎ๐—ต๐—ฎ-๐—บ๐—ถ๐—ฎ๐˜€๐—ฎ ๐—ป๐˜† ๐— ๐—ถ๐—ป๐—ถ๐˜€๐˜๐—ฒ๐—ฟ๐—ฎ๐—ป’๐—ป๐˜† ๐—ง๐—ผ๐—ป๐˜๐—ผ๐—น๐—ผ ๐—œ๐—ฎ๐—ถ๐—ป๐—ฎ๐—ป๐—ฎ ๐˜€๐˜† ๐—ป๐˜† ๐—ข๐—ก๐—š ๐—™๐—”๐—ก๐—”๐— ๐—•๐—ฌ ๐— ๐—”๐—œ๐—ง๐—ฆ๐—ข ๐—ต๐—ฎ๐—ป๐—ฎ๐—บ๐—ฎ๐—ณ๐—ถ๐˜€๐—ฎ๐—ป๐—ฎ ๐—ป๐˜† ๐—ณ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ๐—ฏ๐—ฒ๐—ฎ๐˜‡๐—ฎ๐—ป๐—ฎ ๐—ฎ๐—ฟ๐—ฎ-๐˜๐—ผ๐—ป๐˜๐—ผ๐—น๐—ผ ๐—ถ๐—ฎ๐—ถ๐—ป๐—ฎ๐—ป๐—ฎ

10 0

Dingana iray lehibe amin’ny fanamafisana ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fitantanana maharitra ny harena voajanahary no tontosa tao Morondava, nandritra ny fanamarihana ny ๐€๐ง๐๐ซ๐จ ๐Œ๐š๐ง๐ž๐ซ๐š๐ง๐ญ๐š๐ง๐ฒ ๐ก๐จ ๐š๐ง’๐ง๐ฒ ๐“๐จ๐ง๐ญ๐จ๐ฅ๐จ ๐ˆ๐š๐ข๐ง๐š๐ง๐š (๐‰๐Œ๐„), ny ๐€๐ง๐๐ซ๐จ ๐ˆ๐ซ๐š๐ข๐ฌ๐š๐ฆ-๐ฉ๐ข๐ซ๐ž๐ง๐ž๐ง๐š ๐ก๐จ ๐š๐ง’๐ง๐ฒ ๐Š๐š๐ซ๐š๐ณ๐š๐ง๐ฃ๐š๐ฏ๐š๐ฆ๐š๐ง๐š๐ง๐š๐ข๐ง๐š (๐‰๐ˆ๐…) ary ny ๐€๐ง๐๐ซ๐จ ๐Œ๐š๐ง๐ž๐ซ๐š๐ง๐ญ๐š๐ง๐ฒ ๐‡๐ข๐š๐๐ข๐š๐ง๐š ๐š๐ฆ๐ข๐ง’๐ง๐ฒ ๐…๐ข๐ก๐š๐ง๐ ๐š๐ณ๐š๐ง๐š๐ง๐š sy ny ๐‡๐š๐ข๐ง๐ญ๐š๐ง๐ฒ (๐‰๐Œ๐ƒ๐’).

Isany nisongadina tamin’io fankalazana io ny fanaovan-tsonia ๐Ÿ๐ข๐Ÿ๐š๐ง๐š๐ซ๐š๐ก๐š๐ฆ-๐ฉ๐ข๐š๐ซ๐š๐ก๐š-๐ฆ๐ข๐š๐ฌ๐š teo amin’ny ๐Œ๐ข๐ง๐ข๐ฌ๐ญ๐ž๐ซ๐š๐ง’๐ง๐ฒ ๐“๐จ๐ง๐ญ๐จ๐ฅ๐จ ๐ˆ๐š๐ข๐ง๐š๐ง๐š sy ny ๐Ž๐๐† ๐…๐€๐๐€๐Œ๐๐˜ ๐Œ๐€๐ˆ๐“๐’๐Ž, fiaraha-miasa izay mikendry ny hanamafy ny fanabeazana ara-tontolo iainana sy hampiroborobo ny kolontsain’ny fiarovana ny zavaboary eny anivon’ny fiarahamonina.

Anisan’ny tanjona lehibe amin’ity fiaraha-miasa ity ny fanapariahana ny tetikasa ๐†๐ซ๐ž๐ž๐ง ๐€๐œ๐ญ๐ข๐จ๐ง ๐’๐œ๐ก๐จ๐จ๐ฅ, izay natao hampivelatra ny fahalalan’ny mpianatra sy ny tanora momba ny fiarovana ny tontolo iainana, sady hanabeazana olom-pirenena tompon’andraikitra sy manana toe-tsaina manaja ny harena voajanahary.

Araka ny fanazavana nandritra ny lanonana, ny fanabeazana ara-tontolo iainana no iray amin’ireo fototra lehibe hahafahana miatrika ireo fanamby ateraky ny fiovan’ny toetrandro, ny fahasimban’ny ala, ny fahaverezan’ny karazanjavamananaina ary ny fihanaky ny haintany. Izany indrindra no antony hametrahana fiaraha-miasa maharitra eo amin’ny fanjakana sy ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny fampandrosoana.

Manamafy ny finiavany ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny ONG FANAMBY MAITSO fa ny fananganana taranaka mahafantatra sy miaro ny tontolo iainana dia isan’ireo antoka lehibe hiantohana ny fampandrosoana maharitra eto Madagasikara.

Natao tao Morondava ny fanaovan-tsonia ny 29 Jona 2026, tao anatin’ny hetsika ofisialy nanamarihana ireo andro iraisam-pirenena natokana ho an’ny tontolo iainana sy ny fiarovana ny harena voajanahary.

Related Post

๐๐ˆ๐€๐‘๐€๐Š๐€ ๐๐€๐๐€๐“๐Ž๐๐“๐Ž๐’๐€ ๐…๐€๐Œ๐๐Ž๐‹๐„๐-๐Š๐€๐™๐Ž ๐๐˜ ๐€๐•๐˜ ๐€๐Ž ๐€๐Œ๐ˆ๐’๐๐˜ ๐ƒ๐‘๐‚๐‚ ๐’๐˜ ๐๐˜ ๐ƒ๐‘๐‰๐’ ๐€๐Œ๐Ž๐‘๐Ž๐’๐ˆ ๐Œ๐€๐๐ˆ๐€

Posted by - fรฉvrier 12, 2025 0
๐๐ˆ๐€๐‘๐€๐Š๐€ ๐๐€๐๐€๐“๐Ž๐๐“๐Ž๐’๐€ ๐…๐€๐Œ๐๐Ž๐‹๐„๐-๐Š๐€๐™๐Ž ๐๐˜ ๐€๐•๐˜ ๐€๐Ž ๐€๐Œ๐ˆ๐’๐๐˜ ๐ƒ๐‘๐‚๐‚ ๐’๐˜ ๐๐˜ ๐ƒ๐‘๐‰๐’ ๐€๐Œ๐Ž๐‘๐Ž๐’๐ˆ ๐Œ๐€๐๐ˆ๐€ ๐™ฐ๐™ป๐™ฐ๐š๐™พ๐™ฑ๐™ธ๐™ฐ 12 ๐™ต๐šŽ๐š‹๐š›๐š˜๐šŠ๐š›๐šข 2025 Tao anatin’ny Faritra…