Akory ny hatarain’ny Mponina teto amin’ny Fokontany Lazaina, rehefa nisy Zaza nilalao ka nampandre ny Lehiben’ny Fokontany fa misy Fasana vaky, ary miparitaka eran’ny tokon-tanim-pasana ny razana rehetra.
Tsy niandry ela fa tonga dia nanatona teny an-toerana ny Mponin’ny Fokontany Lazaina, niaraka tamin’ny Filohan’ny Fokontany nijery ny zava-misy, ka tamin’izany no nahalalana fa fasana miisa 3 no indray vaky. Tapitra nalain’ireo Mpangalatra taolam-paty avokoa ny taolan-dava ny razana, ary ny sisa tsy nilain’izy ireo ireto naparitaka eran’ny tokon-tanim-pasana ireto. Tsy ela taorian’izay dia tonga teny an-toerana ny Zandarimariam-pirenena, dia ny Borigady eto Sabotsy Naùehana sy ny Polisy Nasionaly eto amin’ny Kaominina Anosy Avaratra, ary tonga ihany koa ny solon-tena avy ao amin’ny Kaominina.
Alahelo, ranomaso, miharo hatezerana ny an’ny fianakaviana nahita ireto havana efa nindaosin’ny fahafatesana, kanefa dia mbola nisy nangalatra ihany ny taolam-balon’izy ireo.
Hatreto mbola tena fanontaniana tsy nahitam-baliny ny hoe « Iza no mividy itony taolan’ny maty itony ? efa maro izay voasambotra izay fa toa tsy ahitam-bokany hatrany ? iza no ao ambadik’izy ireo ? ary hatao inona ny taolam-paty ?
Hany herin’ny fianakaviana, dia namerina namono ny laona sisa tsy lasan’ireo tsy valahara.
Toy ny mahazatra, efa mandeha ny fanadihadihana !




