Niditra an-tsehatra avy hatrany ny Minisiteranโny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy โ MEDD, taorianโny fitarainanโny mponina momba ny setroka mainty navoakanโny orinasa iray ao aminโny zone Forello-Tanjombato. Tanjona : hiaro ny fahasalamanโny mponina, ny rivotra iainana, ary hampahatsiahy fa tsy azo atao sorona noho ny famokarana ny tontolo iainana.
Natao ny zoma 19 jona 2026 ny fidinana ifotony, niarahanโny MEDD taminโny solontenanโny Kaominina Tanjombato. Nandritra izany no nahitana tsy fahatomombanana teo aminโny fiasanโny chaudiรจre ampiasainโilay orinasa. Hita ihany koa ny fisianโny fako taratasy sy plastika tao an-toerana, izay voalaza fa anisanโny mety niteraka ilay setroka mainty nandoto ny rivotra sy nampiahiahy ny mponina manodidina.
Tsy natao ambanin-javatra ny zava-nisy. Araka ny fanamarinana teny an-toerana, nekenโny tomponโandraikitry ny orinasa ireo lesoka hita. Noho izany, nampitandremana avy hatrany ilay orinasa ary nomena fe-potoana 30 andro hanitsiana ireo tsy fetezana ara-teknika sy ara-tontolo iainana rehetra. Mazava ny hafatra : tsy maintsy hajaina ny fenitra, ary tsy azo ekena ny fandotoana rivotra mety hanimba ny fahasalamanโny vahoaka.
Manamafy ny MEDD fa tsy maintsy mandray andraikitra ireo orinasa mpamokatra rehetra. Ny fampandrosoana ara-toekarena dia tokony handeha miaraka aminโny fanajana ny tontolo iainana, fa tsy hanitsakitsaka azy. Tsy vitanโny hoe adidy ara-dalร na izany, fa andraikitra ara-moraly ihany koa aminโny mponina, indrindra aminโireo faritra ipetrahanโny olona sy ahitana fivezivezenโny vahoaka isanโandro.
Ity tranga tao Forello-Tanjombato ity dia fampahatsiahivana mazava fa manana zo hiaina aminโny rivotra madio ny olom-pirenena. Ankasitrahana ny fanairana sy fampitam-baovao nataonโny mponina, satria nahafahana nandray fepetra haingana. Etsy ankilany, ampitandremana ireo orinasa rehetra : tsy maintsy hajaina ny lalร na sy ny fenitra ara-tontolo iainana, fa raha mbola mitohy ny tsy fanarahan-dalร na dia tokony hisy fepetra henjana kokoa horaisina.




