








Naneho fankasitrahana amin’ny asa sy fandraisana andraikitra nataon’i Saholinirina Yolande Marie Michelle ny Fanjakana, tamin’ny alalan’ny fanomezana mari-boninahitra ambony ho an’ny fianakaviany.
Tao Ankofafalahy no nanatanterahana ny lanonana manetriketrika nanolorana ny mari-boninahi-pirenena * »Chevalier de l’Ordre National »* an’i Saholinirina Yolande Marie Michelle, mpanao gazety tao amin’ny Radio Tsiry, *à titre postume*. Fanomezam-boninahitra avy amin’ny Fanjakana noho ny asa maha-olom-pirenena sy ny fandraisany anjara lehibe teo amin’ny sehatry ny fampitam-baovao.
Ramatoa *Harilalaina Irma Juliandres*, Prefen’i Fianarantsoa, no nanolotra izany tamin’ny anaran’ny *Filoham-pirenena* sy ny *Filohan’ny mari-boninahi-pirenena*.
Nanotrona sy naneho fanajana ny fianakaviana ireo solontenan’ny fianakaviamben’ny mpanao gazety, ho fanehoam-piraisankina sy fanajana ny mpiara-miasa taminy.
Mari-boninahitra entina mankalaza ny hasin’ny asa fanaovan-gazety sy manome aingam-panahy ho an’ireo mbola mitohy amin’ny asa fitoriana marina sy andraikitra amin’ny fiarahamonina.
✍️ Ando Rafahatelo




