Taranja tolona na Lutte| tontosa ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara

207 0

Notontosaina omaly 07 décembre 2024 tetsy amin’ny  Gymnase ANKOAY tetsy ankorondrano ny fiadiana ny tompodakan’ny Madagasikara teo amin’ny taranja tolona na lutte, sokajy telo no nampilalaovana tamin ity taona ity dia ny U17, U20, U23.

Ny antony moa dia fijerena ireo relève hiatrika ny fifaninana lehibe sahady Maro ny klioba namaly ny antso na teto an andrenivohitra na tany amin’ny faritany. Fahombiazana no azo lazaina ra ho an’ny mpikarakara izay teo anivon’ny federasiona sy ny ligue analamanga.

Raha ho an’ny CLUB SPORTIF LUTTE AMBOHIMANARINA na CSLA izay notarihin’i Maître RABEKETSA sendra ny mpanao gazetinay dia fahombiazana hoy izy ireo no azo lazaina satria dia: Atleta 11 no nilalao ka 9 no voahositra ho tompodakan’ny Madagasikara,

Efa ela no nanomanana iny ka rariny raha betsaka ny atleta nisitraka izany hoy ihany ry zareo.

Related Post

𝐅𝐈𝐅𝐀𝐍𝐈𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐇𝐈𝐀𝐃𝐈𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐇𝐎 𝐙𝐀𝐘 𝐓𝐎𝐌𝐏𝐎-𝐃𝐀𝐊𝐀 𝐍𝐘 𝐋𝐈𝐆𝐘 𝐕𝐀𝐊𝐈𝐍𝐀𝐍𝐊𝐀𝐑𝐓𝐑𝐀 𝐓𝐀𝐑𝐀𝐍𝐉𝐀 𝐁𝐀𝐒𝐊𝐄𝐓 𝐁𝐀𝐋𝐋

Posted by - mai 27, 2025 0
𝐅𝐈𝐅𝐀𝐍𝐈𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐇𝐈𝐀𝐃𝐈𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐇𝐎 𝐙𝐀𝐘 𝐓𝐎𝐌𝐏𝐎-𝐃𝐀𝐊𝐀 𝐍𝐘 𝐋𝐈𝐆𝐘 𝐕𝐀𝐊𝐈𝐍𝐀𝐍𝐊𝐀𝐑𝐓𝐑𝐀 𝐓𝐀𝐑𝐀𝐍𝐉𝐀 𝐁𝐀𝐒𝐊𝐄𝐓 𝐁𝐀𝐋𝐋 | 𝐍𝐘 𝐓𝐎𝐄𝐓𝐑𝐀 𝐑𝐀𝐓𝐒𝐘 𝐇𝐀𝐅𝐈𝐓𝐒𝐎𝐊𝐘 𝐍𝐘 𝐌𝐏𝐈𝐓𝐒𝐀𝐑𝐀 𝐍𝐎…