FESTIVAL SAMBARAHA: HIVERINA AMIN’NY TANJANY INDRAY REHEFA NIATO.

131 0
 Nanomboka ny taona 2004 no niforona ny festival Sambaraha ary efa nisy andiany 06 saingy nihato nandritra ny taona maromaro.
 Haverina indray izany amin’ity taona 2024 ity ka ezahana ho tohizana hatrany isan_taona.
Ho tontosaina ny 26 hatramin’ny 29 desambra 2024 ho avy izao any Fort Dauphin arak’izany ny andiany faha_07.
Tafiditra ao anatin’ny fanamarihana ny faha 20 taonan’ ny federasiona Hoavinign’Anôsy Miatrika izay angady nanana sy vy nahitana ny festival Sambaraha ny famerenana ity hetsika goavana ity.
 Hetsika ara_kolontsaina, sosialy ary ara_panatanjahatena maro no ho hita mandritra io 4 andro io arahina varotra fampiratiana sy fanentanana.
Hampiavaka azy ny fisian’ny salon des étudiants, hetsika momba ny fambolen_kazo sy fanadiovana morontsiraka.
Tanjona ny:
👉Hampiroborobo ny toekarena
👉Hanandratra ireo tanora manana talenta amin’ny sehatra maro samy hafa sy ny kolontsaina tanosy.
👉Hanomezana sehatra ireo zanatany avy any amin’ iny faritra iny haneho kolotsaina sy fomba amam_panao any an_toerana.
👉Hanehoana hakanto sy ny harena mampiavaka iny faritra iny.
Mifanindry an_dalana amin’ny vina tratrarin’ny telma amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara amin’ny alalan’ny kolontsaina, fampiroboroboana ny toekarena ary fanomezana sehatra ny tanora ny festival sambaraha ka antony hanohanan’izy ireo ity hetsika ity.
 Manodidina ny 2 alina ireo olona vinavinaina ho avy amin’ity andiany faha_07 ity izany hoe avo roa heny tamin’ny andiany voalohany.
📝M.Elvina

Related Post

𝗙𝗜𝗧𝗢𝗡𝗗𝗥𝗔𝗡𝗔 𝗔𝗥𝗔-𝗗𝗥𝗔𝗭𝗔𝗡𝗔

Posted by - juin 16, 2025 0
𝐓𝐬𝐲 𝐞𝐤𝐞𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐭𝐬𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐣𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐨𝐦𝐛𝐚𝐧-𝐝𝐫𝐚𝐳𝐚𝐧𝐚 𝐤𝐚𝐬𝐚𝐢𝐧’𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐡𝐚𝐧𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐀𝐦𝐩𝐚𝐧𝐣𝐚𝐤𝐚 𝐚𝐨 𝐁𝐞𝐥𝐨 𝐬𝐮𝐫 𝐓𝐬𝐢𝐫𝐢𝐛𝐢𝐡𝐢𝐧𝐚 Ny asabotsy faha 14 Jiona teo…