MORENGY SOMAN`ANDRONA – Kolontsaina lova avy tamin`ny Ray amandreny be

461 0
•Tsy vao noforonina nentina hanaovan-dratsy ny hafa ny morengy fa isany kolontsaina manana ny hasiny izay nolovaina tamin`ireo ray amandreny tany aloha.
Isany faritra mankafy azy ity ny foko Tsimihety, raha ny ao Mandritsara ohatra dia misy ny atao hoe; Morengy soman`androna. Lalao ady toto-hondry andraisan`ny tovolahy mafy avy amin`ny tànana manodidina ny renivohitra.
Mampiavaka amin`ny Morengy ao an-toerana ny tsy fahazoan`ny mpandray anjara amin`ny ady mandaka fa tsy maintsy tànana roa ihany no miasa.
Be mpakafy ny morengy noho izy filamboly. Tsy maintsy asiana zava-maneno mandrotsirotsy mandritra fanatanterahana azy ho fanalana monimonaina io no atao hoe « Morengy watsa » Natao fitadiavam-vola ny morengy mba ahafahan`ny mpikarakara mampiakatra avo ny hetsika.
Nangonin’i Claudio

Related Post

Analanjirofo Vakoka sy Kolontsaina | Ministera Miasa amin’ny Vakoka

Posted by - juin 1, 2025 0
𝐅𝐀𝐑𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐀𝐍𝐀𝐋𝐀𝐍𝐉𝐈𝐑𝐎𝐅𝐎 | 𝐌𝐚𝐧𝐨𝐡𝐲 𝐧𝐲 𝐝𝐢𝐧𝐠𝐚𝐧𝐚 𝐡𝐚𝐦𝐩𝐢𝐝𝐢𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐯𝐚𝐤𝐨𝐤𝐚 𝐦𝐢𝐬𝐲 𝐚𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐍𝐨𝐬𝐲 𝐒𝐚𝐢𝐧𝐭𝐞 𝐌𝐚𝐫𝐢𝐞 𝐧𝐲 𝐌𝐢𝐧𝐢𝐬𝐭𝐞𝐫𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐒𝐞𝐫𝐚𝐬𝐞𝐫𝐚 𝐬𝐲 𝐧𝐲…