MORENGY SOMAN`ANDRONA – Kolontsaina lova avy tamin`ny Ray amandreny be

636 0
•Tsy vao noforonina nentina hanaovan-dratsy ny hafa ny morengy fa isany kolontsaina manana ny hasiny izay nolovaina tamin`ireo ray amandreny tany aloha.
Isany faritra mankafy azy ity ny foko Tsimihety, raha ny ao Mandritsara ohatra dia misy ny atao hoe; Morengy soman`androna. Lalao ady toto-hondry andraisan`ny tovolahy mafy avy amin`ny tànana manodidina ny renivohitra.
Mampiavaka amin`ny Morengy ao an-toerana ny tsy fahazoan`ny mpandray anjara amin`ny ady mandaka fa tsy maintsy tànana roa ihany no miasa.
Be mpakafy ny morengy noho izy filamboly. Tsy maintsy asiana zava-maneno mandrotsirotsy mandritra fanatanterahana azy ho fanalana monimonaina io no atao hoe « Morengy watsa » Natao fitadiavam-vola ny morengy mba ahafahan`ny mpikarakara mampiakatra avo ny hetsika.
Nangonin’i Claudio

Related Post

𝗙𝗜𝗧𝗢𝗡𝗗𝗥𝗔𝗡𝗔 𝗔𝗥𝗔-𝗗𝗥𝗔𝗭𝗔𝗡𝗔

Posted by - juin 16, 2025 0
𝐓𝐬𝐲 𝐞𝐤𝐞𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐭𝐬𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐣𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐨𝐦𝐛𝐚𝐧-𝐝𝐫𝐚𝐳𝐚𝐧𝐚 𝐤𝐚𝐬𝐚𝐢𝐧’𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐡𝐚𝐧𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐀𝐦𝐩𝐚𝐧𝐣𝐚𝐤𝐚 𝐚𝐨 𝐁𝐞𝐥𝐨 𝐬𝐮𝐫 𝐓𝐬𝐢𝐫𝐢𝐛𝐢𝐡𝐢𝐧𝐚 Ny asabotsy faha 14 Jiona teo…