𝗙𝗔𝗑𝗔𝗠𝗕𝗔π—₯𝗔𝗑𝗔 𝗔𝗩𝗬 π—”π— π—œπ—‘’𝗔𝗑𝗗π—₯π—œπ—”π— π—”π—§π—’π—” π—₯π—œπ—π—” π—₯π—”π—žπ—’π—§π—’π—­π—”π—‘π—”π—žπ—”π—π—¬

46 0
β–ͺ︎ Manoloana ny hetahetan’ny Malagasy rehetra amin’ny fanovΓ na rafitra.
β–ͺ︎ Manolona ny fifandonana misy ary miha mahery vaika isanandro
Dia manao izao fanambarΓ na izao izaho Rija Rakotozanakajy :
1- Mampahery ary miombona alahelo @ Malagasy manamanjΓ².
2- Mirary fahasitranana sy fahasalamana haingana ho an’ny Malagasy naratra.
3- Manentana ny hampihenana ny herisetra.
4- Ny fanovΓ na rafitra dia hatao fa miandalana satria mila olona efa mahafehy ny asany miisa 15 000 ny fanatanterahana izany (mbola 700 no misy raha manaiky hody sy omena sehatra tsy feno kolikoly ny Malagasy rehetra maneran-tany).
5- Ny olona, ny mponina no ivon’ny fiarahamonina. Vokatry ny fahatrana sy ny tsy fahalalana dia lasa tsy misy miaro ny fananana iombonana (tsy mahatsapa hoe tompony ny tsirairay).
6- Ny ady saranga (lutte de classe) dia anisany olana mila itondrana vahaolana maharitra eto Madagasikara.
β–ͺ︎ Mirary fitoniana ho an’i Madagasikara sy ny Malagasy rehetra.
β–ͺ︎ Mirary ny tsirairay avy hahita ny rariny, ka fampandrosoana sy fanarenana an’i Madagasikara tokoa no ho laharam-pahamehanantsika tsirairay avy fa tsy tombontsoa manokana.
✍️RA PA

Related Post