RADO RAMPARAOELINA: MAMPALEMY NY MPANOHITRA NY FISIAN’NY VOAY MANANA TONGOTRA ROA.

351 0
 Misy voay mpikambana ao amin’ny fanoherana ka ny tongony iray hita ampahibemaso ao amin’ny fanoherana ary ny tongony iray any amin’ny fitondrana hoy ny mpikambana iray ao amin’ny antoko TIM, Rado RAMPARAOELINA.
 Maro ireo mpikaraman’ady politika ka mahatonga ny fahalemen’ny fanoherana hoy izy satria ny fivoriana ataon’ny mpanohitra dia voatatitra any amin’ny olona toherina ataon’ny sasany fakana vola.Notsipihany ihany koa fa efa nisy foana ny fikomian’ny vahoaka tamin’ireo fitondrana nifanesy teto amin’ny firenena saingy matoa mahazo hery na mahomby dia misy mpamatsy vola.
 Manoloana ny fanambarana samihafa ataon’ireo mpanohana ny fitondrana amin’izao akaiky fivoahan’ny valim-pifidianana izao kosa indray ,nanambara i Rado RAMPARAOELINA fa fanariana dia ny olona mba tsy hifantoka amin’io resaka fifidianana io no anton’izany .
Nasiany resaka ihany koa akoatr’ireo ny momba ny antso fifampidinihana tarihan’ny HPM-ACS-FMET-RIMM izay hanasana ireo hery velona eto amin’ny firenena, mila fantariana tsara hoy izy ireo antoko lehibe sy matanjaka fa raha tsy mandray anjara ireo dia tsy hisy akony.
📝 Nangonin’ i M.Elvina

Related Post

Vovonan’ny Firaisankina Madagasikara an’ny Malagasy Avaradrano | Tafapetraka ny atotan-taratasy

Posted by - avril 4, 2024 0
𝐅𝐈𝐑𝐀𝐈𝐒𝐀𝐍-𝐊𝐈𝐍𝐀 𝐀𝐕𝐀𝐑𝐀𝐃𝐑𝐀𝐍𝐎 | 𝐓𝐀𝐅𝐀𝐏𝐄𝐓𝐑𝐀𝐊𝐀 𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐑𝐀𝐓𝐀𝐒𝐘 𝐅𝐈𝐋𝐀𝐓𝐒𝐀𝐇𝐀𝐍-𝐊𝐎𝐅𝐈𝐃𝐈𝐀𝐍𝐀 𝐇𝐎 𝐒𝐎𝐋𝐎𝐌𝐁𝐀𝐕𝐀𝐌𝐁𝐀𝐇𝐎𝐀𝐊𝐀𝐍’𝐈 𝐌𝐀𝐃𝐀𝐆𝐀𝐒𝐈𝐊𝐀𝐑𝐀 —- Androany faha 03 volana Avril ny taona 2024 no…