๐Œ๐š๐ง๐๐ซ๐ข๐ญ๐ฌ๐š๐ซ๐š – ๐•๐จ๐ฏ๐จ-๐›๐จ๐ฅ๐š๐ฆ๐ž๐š ๐ญ๐ฌ๐ฒ ๐ญ๐ž๐ง๐š ๐ข๐ณ๐ฒ ๐ง๐ž๐ง๐ญ๐ข๐ง๐š ๐ง๐ข๐ฌ๐จ๐ฅ๐จ๐ค๐ฒ ๐จ๐ฅ๐จ๐ง๐š

234 0

๐Œ๐š๐ง๐๐ซ๐ข๐ญ๐ฌ๐š๐ซ๐š – ๐•๐จ๐ฏ๐จ-๐›๐จ๐ฅ๐š๐ฆ๐ž๐š ๐ญ๐ฌ๐ฒ ๐ญ๐ž๐ง๐š ๐ข๐ณ๐ฒ ๐ง๐ž๐ง๐ญ๐ข๐ง๐š ๐ง๐ข๐ฌ๐จ๐ฅ๐จ๐ค๐ฒ ๐จ๐ฅ๐จ๐ง๐š (Tra-tehaky ny polisy lehilahy iray ity noho ny fanomezam-baovao ara-potoana)

Rangahy iray mpisoloky tra-tehaka, vovo-bolamena tsy tena izy no namitahany olona tany Belalona distrikan`i Mandritsara tamin`ny fiandohan`ny volana martsa ity. Milaza mahita vazaha afaka mividy volamena izy, nobaboby fo raim~pianakaviana misotro iray mba hanome vola be azy satria maika hihaona amin`ny vazaha naniraka azy ary hampitomboana ny vola nalaina rehefa lafo ilay volamena.

Ny tenany no lazainy iraka vazaha tonga tamin`ilay RAD, nandinika mafy ity farany ka nampilaza ny polisim-pirenena noho izy efa matetika mahazo fanentanana momba fisorohana ny teti-dratsy ataon`olon-dratsy. Nidia ifotony ny polisim-pirenena ka nosamborim-potsiny mpisoloky ity avy eo.

ยซย Tsy vao sambany manao fisolokiana raha ny finday ampiasainy no nojerenay, milaza ho ex-maire izy, toerana maro (Marovoay, Tamatave, Mahajanga…) no efa nanaovany asa ratsy ary matetika miovaova anarana izyย ยป hoy lehiben`ny Commissariat Mandritsara, Tovolahy Odin androany 11 martsa. Efa natolotra eny anivon`ny fampanoavana ny raharaha.

Nangonin’i Claudio

Related Post

๐— ๐—ฎ๐—ป๐—ฑ๐—ฟ๐—ถ๐˜๐˜€๐—ฎ๐—ฟ๐—ฎ – ๐— ๐—ถ๐˜๐—ผ๐—ต๐˜† ๐—ป๐˜† ๐—ณ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ๐˜๐˜€๐—ฎ๐—ฟ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ ๐—น๐—ฎฬ€๐—น๐—ฎ๐—ป๐—ฎ ๐—ณ๐—ถ๐˜ƒ๐—ฒ๐˜‡๐—ถ๐˜ƒ๐—ฒ๐˜‡๐—ฒ๐—ป`๐—ป๐˜† ๐—ฑ๐—ฎ๐—ต๐—ผ๐—น๐—ผ๐—ฏ๐—ฒ

Posted by - juillet 16, 2024 0
๐— ๐—ฎ๐—ป๐—ฑ๐—ฟ๐—ถ๐˜๐˜€๐—ฎ๐—ฟ๐—ฎ – ๐— ๐—ถ๐˜๐—ผ๐—ต๐˜† ๐—ป๐˜† ๐—ณ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ๐˜๐˜€๐—ฎ๐—ฟ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ ๐—น๐—ฎฬ€๐—น๐—ฎ๐—ป๐—ฎ ๐—ณ๐—ถ๐˜ƒ๐—ฒ๐˜‡๐—ถ๐˜ƒ๐—ฒ๐˜‡๐—ฒ๐—ป`๐—ป๐˜† ๐—ฑ๐—ฎ๐—ต๐—ผ๐—น๐—ผ๐—ฏ๐—ฒ (๐–ฌ๐–บ๐—‡๐–บ๐—ˆ ๐–พ๐—“๐–บ๐—„๐–บ ๐—‡๐—’ ๐—„๐–บ๐—ˆ๐—†๐—‚๐—‡๐—‚๐—‡๐–บ ๐—†๐–บ๐—‡๐–บ๐—†๐–ป๐—ˆ๐–บ๐—๐—‹๐–บ ๐—…๐–บ๐—…๐–บ๐—‡๐–บ) โœฆ Tsy miraviravy tanana ny ben`ny…