𝐌𝐚𝐧𝐝𝐫𝐒𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚 – 𝐕𝐨𝐯𝐨-𝐛𝐨π₯𝐚𝐦𝐞𝐚 𝐭𝐬𝐲 𝐭𝐞𝐧𝐚 𝐒𝐳𝐲 𝐧𝐞𝐧𝐭𝐒𝐧𝐚 𝐧𝐒𝐬𝐨π₯𝐨𝐀𝐲 𝐨π₯𝐨𝐧𝐚

215 0

𝐌𝐚𝐧𝐝𝐫𝐒𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚 – 𝐕𝐨𝐯𝐨-𝐛𝐨π₯𝐚𝐦𝐞𝐚 𝐭𝐬𝐲 𝐭𝐞𝐧𝐚 𝐒𝐳𝐲 𝐧𝐞𝐧𝐭𝐒𝐧𝐚 𝐧𝐒𝐬𝐨π₯𝐨𝐀𝐲 𝐨π₯𝐨𝐧𝐚 (Tra-tehaky ny polisy lehilahy iray ity noho ny fanomezam-baovao ara-potoana)

Rangahy iray mpisoloky tra-tehaka, vovo-bolamena tsy tena izy no namitahany olona tany Belalona distrikan`i Mandritsara tamin`ny fiandohan`ny volana martsa ity. Milaza mahita vazaha afaka mividy volamena izy, nobaboby fo raim~pianakaviana misotro iray mba hanome vola be azy satria maika hihaona amin`ny vazaha naniraka azy ary hampitomboana ny vola nalaina rehefa lafo ilay volamena.

Ny tenany no lazainy iraka vazaha tonga tamin`ilay RAD, nandinika mafy ity farany ka nampilaza ny polisim-pirenena noho izy efa matetika mahazo fanentanana momba fisorohana ny teti-dratsy ataon`olon-dratsy. Nidia ifotony ny polisim-pirenena ka nosamborim-potsiny mpisoloky ity avy eo.

« Tsy vao sambany manao fisolokiana raha ny finday ampiasainy no nojerenay, milaza ho ex-maire izy, toerana maro (Marovoay, Tamatave, Mahajanga…) no efa nanaovany asa ratsy ary matetika miovaova anarana izyΒ Β» hoy lehiben`ny Commissariat Mandritsara, Tovolahy Odin androany 11 martsa. Efa natolotra eny anivon`ny fampanoavana ny raharaha.

Nangonin’i Claudio

Related Post

TOBY KRISTY MANAFAKA IBORA | MPIOMANA 71 MIANADAHY NO VOATOKANA HO MPIANDRY TAMIN’NY TAONA ITY.

Posted by - aoΓ»t 14, 2024 0
ππ„π“π’π€πŠπ€ πˆπ‘π„πŽ πŽπ‹π€ππ€ π’π„πƒπ‘π€πˆπ’𝐍𝐘 π“πŽππ˜ πŠπ‘πˆπ’π“π˜ πŒπ€ππ€π…π€πŠπ€ πˆππŽπ‘π€ πŠπ€ πˆπ‹π€ππ˜ π…π€ππŽπŒπ„π™π€π-𝐓𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 π€π•π˜ π€πŒπˆπ’𝐍𝐘 π“π’πˆπ‘π€πˆπ‘π€π˜. πŒππˆπŽπŒπ€ππ€ πŸ•πŸ πŒπˆπ€ππ€πƒπ€π‡π˜ 𝐍𝐎 π•πŽπ€π“πŽπŠπ€ππ€ π‡πŽ…