๐— ๐—ฎ๐—ป๐—ฑ๐—ฟ๐—ถ๐˜๐˜€๐—ฎ๐—ฟ๐—ฎ – ๐— ๐—ถ๐˜๐—ผ๐—ต๐˜† ๐—ป๐˜† ๐—ณ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ๐˜๐˜€๐—ฎ๐—ฟ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ ๐—น๐—ฎฬ€๐—น๐—ฎ๐—ป๐—ฎ ๐—ณ๐—ถ๐˜ƒ๐—ฒ๐˜‡๐—ถ๐˜ƒ๐—ฒ๐˜‡๐—ฒ๐—ป`๐—ป๐˜† ๐—ฑ๐—ฎ๐—ต๐—ผ๐—น๐—ผ๐—ฏ๐—ฒ

571 0
๐— ๐—ฎ๐—ป๐—ฑ๐—ฟ๐—ถ๐˜๐˜€๐—ฎ๐—ฟ๐—ฎ – ๐— ๐—ถ๐˜๐—ผ๐—ต๐˜† ๐—ป๐˜† ๐—ณ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ๐˜๐˜€๐—ฎ๐—ฟ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ ๐—น๐—ฎฬ€๐—น๐—ฎ๐—ป๐—ฎ ๐—ณ๐—ถ๐˜ƒ๐—ฒ๐˜‡๐—ถ๐˜ƒ๐—ฒ๐˜‡๐—ฒ๐—ป`๐—ป๐˜† ๐—ฑ๐—ฎ๐—ต๐—ผ๐—น๐—ผ๐—ฏ๐—ฒ
(๐–ฌ๐–บ๐—‡๐–บ๐—ˆ ๐–พ๐—“๐–บ๐—„๐–บ ๐—‡๐—’ ๐—„๐–บ๐—ˆ๐—†๐—‚๐—‡๐—‚๐—‡๐–บ ๐—†๐–บ๐—‡๐–บ๐—†๐–ป๐—ˆ๐–บ๐—๐—‹๐–บ ๐—…๐–บ๐—…๐–บ๐—‡๐–บ)
โœฆ Tsy miraviravy tanana ny ben`ny tanana ao amin`ny kaominina ambonivohitra Mandritsara, Rasolofondradonga Gรฉrard fa manao ezaka amin`ny fanatsarana tanana. Misy ny fanavaozana lร lana fivezivezen`ny daholobe amin`ny andavan`andro eny anivon`ny fokontany.
Nisantatra izany ny ao Ankobasoa; lalam-be 500 metatra eo no nopasohana mba ahafahan`ny fiara vaventy mpitondra entana ary koa ireo tuc tuc mpitatitra olona, vita tamin`ny herinandro lasa teo izany. Mahazo tombony amin`izany ireo mponina ao Mandritsara ambony sy Ankobasoa indrindra ny vahoakan`i Mandritsara. Natao izao mba hanenana ny fivezivezena amin`ny lร lam-be mihazo amin`ny rue de commerce satria matetika mampikorontana fifamoiviizana ireo kamiao ireny, eo koa ny mpianatra voaelingelina rehefa hiampita, hoy Ben`ny tanana, Rasolofondradonga Gรฉrard.
โœฆAnkoatra ny ao Ankobasoa, miroso koa ny fanamboarana ny rari-vato mankany amin`ny ยซย Gymnase couvert ย ยป Lร lana 200 metatra eo koa no voapasoka hanaovana rari-vato. Fiarahamiasa eo amin`ny kaominina sy ny governoran`ny faritra Sofia no nahatontosana izany.
Nangonin`i Claudio

Related Post

Zava-baovao ao Farafangana | mitondra paikady hentitra hiadiana aminโ€™ny tsy fandriampahalemana ny Zandary

Posted by - juillet 4, 2025 0
๐™๐š๐ฏ๐š-๐›๐š๐จ๐ฏ๐š๐จ ๐š๐จ ๐…๐š๐ซ๐š๐Ÿ๐š๐ง๐ ๐š๐ง๐š! ๐…๐ข๐ก๐š๐จ๐ง๐š๐ง๐š ๐•๐จ๐š๐ฅ๐จ๐ก๐š๐ง๐ฒ ๐“๐š๐ฆ๐ข๐ง’๐ง๐ฒ ๐‹๐ž๐ก๐ข๐›๐ž๐ง’๐ง๐ฒ ๐™๐š๐ง๐๐š๐ซ๐ฒ ๐•๐š๐จ๐ฏ๐š๐จ โ€“ ๐€๐ญ๐ฌ๐ข๐ฆ๐จ ๐€๐ญ๐ฌ๐ข๐ง๐š๐ง๐š๐ง๐š — Farafangana, 4 Jolay 2025 Nitondra fanantenana sy…

๐“๐Ž๐€๐Œ๐€๐’๐ˆ๐๐€ | ๐๐Ž๐ƒ๐Ž๐‘๐€๐๐€ ๐ˆ๐‘๐„๐Ž ๐•๐€๐‘๐˜ ๐’๐ˆ๐Œ๐๐€

Posted by - janvier 14, 2024 0
๐“๐Ž๐€๐Œ๐€๐’๐ˆ๐๐€ | ๐๐Ž๐ƒ๐Ž๐‘๐€๐๐€ ๐ˆ๐‘๐„๐Ž ๐•๐€๐‘๐˜ ๐’๐ˆ๐Œ๐๐€   Notanterahina omaly tao Tanandava ny fandorana ireo vary simba ,izay hita tao amina…