Ny Alarobia 27 desambra 2023, no notontosaina tao amin’ny Sekolim-pirenena manofana ho Mpandraharahan’ny Fonja (ENAP) tao Antetezambaro ny lanonana ara-miaramila natokana ho fankasitrahana sy ho fanehoana ambany faneva ireo mpianatra miisa 250 tafita taminβny taranja samihafa rehefa niatrika ireo sedra maro nandritra ny 45 andro ary ny fiofanana fototra mikasika ny maha-miaramila sy ny tontolon’ny Fandraharahana ny Fonja amin’ny ankapobeny.
Misalotra ny anarana MIARO ( MaturitΓ©, IntΓ©gritΓ©, AuthenticitΓ©, ResponsabilitΓ©, ObΓ©issance) ireto andiany ireto ka ny Inspecteur en chef d’Administration PΓ©nitentiaire BEGARA Γtienne, Directeur de l’ Inspection PΓ©nitentiaire no Ray mpiahy azy ireo, izay nitsodrano ny andiany hahavita soa aman-tsara ny fiofanana mbola ho ataon’izy ireo.
Ny lanonana dia teo ambany fitarihan’ny Inspecteur en chef d’ Administration PΓ©nitentiaire RAZAFINTSALAMA DΓ©sirΓ©, Tale Jeneralin’ny ENAP.
Ity hetsika ity dia tsy vitanβny hoe nanome voninahitra ny zava-bitanβny mpianatra tsirairay, fa nanasongadina ihany koa ny maha zava-dehibe stratejika ny fandraisanβizy ireo anjara aminβny ho avy aminβny fahombiazana sy ny fahamarinanβny rafitry ny fonja.