Niteraka resabe sy ahiahy teo anivonโny olom-pirenena teto Morondava ny fahitana fa mbola manao publication hatrany ny kaonty Facebook anโilay mpanankanto iray ampidirina am-ponja vonjimaika, raha toa ka fantatra fa voarara tanteraka ny fampiasana finday sy fitaovana fifandraisana ao anivonโny Fonja.
Manoloana izany toe-javatra izany dia nandalo teny aminโny Fonja Morondava ireo mpitory mba hitady fanazavana ofisialy sy hanamarina ny zava-misy.
Araka ny fanazavana nomenโny tomponโandraikitry ny Fonja Morondava, dia efa natao ny fanamarinana ka fantatra fa olona akaiky azy ivelanโny Fonja no nampiasa ilay kaonty Facebook-ny, ary efa nandraisana fepetra mifanaraka aminโizany. Nohamafisinโizy ireo ihany koa fa entitra ny fanarahamaso sy ny fitsirihana ao anivonโny Fonja, ary tsy ekena mihitsy ny fampiasana fitaovana fifandraisana ao anatiny.
Nambaranโny tomponโandraikitra fa raha misy fihetsika manitsakitsaka ny fitsipika mifehy ny Fonja, na avy aminโny voafonja na avy aminโny olona any ivelany, dia andraisana fepetra araky ny lalร na mifehy ny Fonja izany.
โ๏ธ RA PA




