ADY AMIN’NY HERISETRA MIANJADY AMIN’NY VEHIVAVY SY NY ANKIZIVAVY 

327 0
 Omaly faha 25 Novambra 2023 no nosokafana amin’ny fomba ofisialy teto Morondava ny16 andro ho an’ny ady mahakasika ny herisetra mahaz o ny vehivavy sy ny ankizivavy, izay no tarihin’ny Talem_paritry ny mponina sy tompon’andraikim_panjakana eto amin’ny faritra Menabe.
 
Tao anatin’ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy izay dia nisy ny lahateny nifandimbiasana ary nandritra izany lahateny izany no nanamafisana fa ny ady amin’ny herisetra dia tsy ao anatin’ny 16 andro fotsiny fa andavanandro sy mandavan_taona , fa ny 16 andro izay ankalazaina sy hanaovana hetsika maro dia ho fanomezan_danja ny vehivavy .
Raha ny herisetra dia tsy ny vehivavy rery no iharan’ izany fa na ny tanora , ny lehilahy ka noho izany dia ndao iaraka hientana , hifanentana , hifampitaiza , hiaraka iady amin’ny herisetra .
 
Nangonin’i RaPa Menabe
 
 

Related Post

𝐃𝐈𝐒𝐓𝐑𝐈𝐊𝐀𝐍’𝐈 𝐒𝐎𝐀𝐍𝐈𝐄𝐑𝐀𝐍𝐀 -𝐈𝐕𝐎𝐍𝐆𝐎: 𝐓𝐎𝐇𝐀𝐍𝐃𝐑𝐀𝐍𝐎 𝐓𝐄𝐋𝐎 𝐍𝐀𝐓𝐀𝐎 𝐅𝐀𝐍𝐃𝐑𝐀𝐈𝐒𝐀𝐍𝐀 𝐕𝐎𝐍𝐉𝐈𝐌𝐀𝐈𝐊𝐀 𝐀𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐊𝐀𝐎𝐌𝐈𝐍𝐈𝐍𝐀 𝐀𝐌𝐁𝐎𝐃𝐈𝐀𝐌𝐏𝐀𝐍𝐀.

Posted by - février 23, 2024 0
𝐃𝐈𝐒𝐓𝐑𝐈𝐊𝐀𝐍’𝐈 𝐒𝐎𝐀𝐍𝐈𝐄𝐑𝐀𝐍𝐀 -𝐈𝐕𝐎𝐍𝐆𝐎: 𝐓𝐎𝐇𝐀𝐍𝐃𝐑𝐀𝐍𝐎 𝐓𝐄𝐋𝐎 𝐍𝐀𝐓𝐀𝐎 𝐅𝐀𝐍𝐃𝐑𝐀𝐈𝐒𝐀𝐍𝐀 𝐕𝐎𝐍𝐉𝐈𝐌𝐀𝐈𝐊𝐀 𝐀𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐊𝐀𝐎𝐌𝐈𝐍𝐈𝐍𝐀 𝐀𝐌𝐁𝐎𝐃𝐈𝐀𝐌𝐏𝐀𝐍𝐀. — Miakatra 150ha ny tanim-bary voatondraka ankehitriny, ny…