๐Isany tanjon’ny Banky foiben’i Madagascar ny hoe Banky manakaiky vahoaka ka ao anatin’ny fanatanterahana izany dia misy ny fampirantiana izay hatao eto Morondava ao amin’ny salle de refuge izay nosokafana tamin’ny fomba ofisialy omaly hariva ka nitarika izany ny Directeur de la Reprรฉsentation territoriale ny banky foiben’ny Madagascar eto Morondava Andriamatoa Castelanis Matrio.
โฆ๏ธ Nanokatra izao hetsika izao tamin’ny fomba ofisialy moa ny prรฉfet an’ny Morondava Rafidison Fidรจle izay nisaotra ny ekipany Banky foiben’ny Madagascar eto Morondava sy ny Governoran’ny Banky foibe amin’izao hetsika izao, izay tsy vitany fampafantarana ny banky sy ny vola ihany fa manentana ny fitiavan-tanindrazana ihany koa amin’izao fankalazana ny faha 65 taona niverenan’ny fahaleovan-tena izao satria ny vola dia isany maha firenena an’i Madagasikara ary manana anjara toerana lehibe eo amin’ny fiandrianam-pirenena ny Ariary izay volan-tsika Malagasy, tonga niatrika izao fanokafana ny fampirantiana izao moa ireo tompon’andraikim-panjakana eto Morondava.
โถ๏ธ Haharitra efatr’andro moa ny fampirantiana izay hanetanana ny rehetra indrindra fa ny mpianatra sy ny Tanora satria dia ho hita ao ny tantaran’ny vola, ny fomba fikirakirana ny vola, ireo fomba fiasan’ny banky ary ireo fomba hidirana ho mpiasan’ny banky sy ireo tolotra maro isan-karazany izay manomboka amin’ny valo ora maraina ka hatramin’ny enina ora hariva.
โ๏ธRA PA



















