SADC eto Madagasikara: Mihamafana ny adihevitra eo amin’ny fitondrana sy ireo mpanohitra

231 0

Niteraka resabe ara-politika indray ny fahafantarana fa eto Madagasikara no hampiantranoana ny fihaonambe faha-45 an’ny Vondrona SADC (Southern African Development Community), amin’ny volana Aogositra 2025. Raha tokony ho zava-dehibe ho an’ny firenena amin’ny resaka diplaomasia sy fandraisana andraikitra iraisam-pirenena izany, dia nisy kosa ny feo manohitra avy amin’ireo filoham-pirenena teo aloha, Marc Ravalomanana sy Hery Rajaonarimampianina.

Nandritra ny fanambarana nataon’izy ireo, nilaza mazava izy ireo fa tsy tokony ho tanterahina eto Madagasikara io fivoriana lehibe io, noho ny antony tsy nohazavainy tamin’ny an-tsipiriany.

Nanoloana izany, dia namaly an-karihary ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina sady Mpitondra tenin’ny Governemanta, Ramatoa MARA Volamiranty Donna. Notsiahiviny fa efa nambaran’ny Praiminisitra Ntsay Christian fa misy endrika “populisme” ataon’ireo mpanohitra amin’izao fotoana izao, amin’ny fiezahany handresy lahatra vahoaka amin’ny alalan’ny fanoherana an-jambany.

« Tsy mikatsaka ny tombontsoam-bahoaka fa manosika korontana fotsiny no ataon’izy ireo, » hoy izy nanamafy. « Tsy azo lavina fa eo ambadiky ny fanoherana dia misy ihany koa ny fialonana ara-politika, satria Andriamatoa Andry Rajoelina, Filoha am-perinasa, no ho filohan’ny SADC manaraka. »

Nohamafisin’ny Minisitra MARA Donna fa hanaja sy hiaro hatrany ny filaminana sy ny fitoniana eto amin’ny firenena ny Fanjakana sy ny Governemanta, ary tsy hisy intsony, hoy izy, ny toerana ho an’ny korontana eto Madagasikara.

Tetikasa diplaomatika lehibe

Araka ny fanapahan-kevitra noraisina nandritra ny fihaonana farany nataon’ireo mpikambana ao amin’ny SADC tany Harare, renivohitr’i Zimbabwe, dia i Madagasikara no voatendry ho mpampiantrano ny fihaonambe faha-45. Amin’izany fotoana izany ihany koa no hanoloran’Andriamatoa Cyril Ramaphosa, Filoha Afrikanina Tatsimo, ny fahefana amin’ny fomba ofisialy ho an’i Andry Rajoelina, Filohan’ny Repoblika Malagasy, amin’ny maha Filohan’ny SADC azy mandritra ny fe-potoana manaraka.

Anisan’ny ho tanterahina amin’io fotoana io ny lanonana fifamindram-pahefana, ny fivoriana ara-teknika sy ara-politika, ary ny fametrahana ny vina vaovao ho an’ny firenena mpikambana.

Nangonin’i Bevomaso

Related Post

Vovonan’ny Firaisankina Madagasikara an’ny Malagasy Avaradrano | Tafapetraka ny atotan-taratasy

Posted by - avril 4, 2024 0
𝐅𝐈𝐑𝐀𝐈𝐒𝐀𝐍-𝐊𝐈𝐍𝐀 𝐀𝐕𝐀𝐑𝐀𝐃𝐑𝐀𝐍𝐎 | 𝐓𝐀𝐅𝐀𝐏𝐄𝐓𝐑𝐀𝐊𝐀 𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐑𝐀𝐓𝐀𝐒𝐘 𝐅𝐈𝐋𝐀𝐓𝐒𝐀𝐇𝐀𝐍-𝐊𝐎𝐅𝐈𝐃𝐈𝐀𝐍𝐀 𝐇𝐎 𝐒𝐎𝐋𝐎𝐌𝐁𝐀𝐕𝐀𝐌𝐁𝐀𝐇𝐎𝐀𝐊𝐀𝐍’𝐈 𝐌𝐀𝐃𝐀𝐆𝐀𝐒𝐈𝐊𝐀𝐑𝐀 —- Androany faha 03 volana Avril ny taona 2024 no…