ZANDARIMARIA ANTSIRANANA : NANKALAZA NY ANDRO IRAISAM- PIRENENA HO AN’NY ZANDARIMARIA (2 APRILY 1969).

131 0
Androany Alakamisy 25 Aprily 2024 no vao nanamarika ny andro iraisam-pirenena ho an’ny ZANDARIMARIA ny teto Antsiranana
raha toa ka tokony tamin’ny faha, 02 Aprily 2024 no nanamarihana izany manerana nosy. Noho ny fandalovan’ny rivo-doza Gamane izay namela takaitra taty amin’ ny tendron’ny avaratra ny nosy no antony nanemorana ity hetsika ity araka ny fanazavan’ ny tomponandraikitra eo anivon’ny Zandarimaria Antsiranana.
 
Tonga nanome voninahitra ny Lanonana ny Préfet Antsiranana, ny solontenan’ny Governoran’ny faritra DIANA, ny Jeneraly kaomadin’ny ZDS Akarana, ny Jeneraly kaomandin’ny CIRGN, ny « Procureur générale », ny BIANCO ireo sivily sy ireo olona manan- kaja maro.
Ny lohahevitra tamin’ity taona 2024 ity dia ny hoe: Zandarimaria MAFI ( Miaro Antoky ny Fampandrosoana Ifotony).
 
Ny Fanomezana rà maimampoana na ( don du sang) natao tetsy @ CHU Place – kabary, ny fampisehoana n’y sary fampirantiana mirakitra ny tantaran’ny Zandarimaria eto Antsiranana sy ny asa vitany eo amin’ny sehatra iandreketany no tena nanamarika ny fankalazana.
 
Nangonin’i Sela FANAMBARANA

Related Post

𝘉𝘖𝘕𝘕𝘌 𝘈𝘊𝘛𝘐𝘖𝘕: 𝙏𝘼𝙂𝙉𝘼𝙈𝘼𝙍𝙊 𝙉𝘼𝙉𝘼𝘿𝙄𝙊 𝙉𝙔 𝙃𝙊𝙋𝙄𝙏𝘼𝙇𝙔 𝗖𝗛𝗥𝗥 𝗔𝗠𝗕𝗢𝗔𝗡𝗔𝗧𝗢

Posted by - février 4, 2024 0
« 𝘛𝘢𝘯𝘰𝘳𝘢 𝘮𝘪𝘢𝘳𝘢-𝘮𝘪𝘦𝘯𝘵𝘢𝘯𝘢 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘪𝘬𝘰𝘫𝘢𝘬𝘰𝘫𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘢𝘯𝘢𝘯𝘢 𝘪𝘰𝘮𝘣𝘰𝘯𝘢𝘯𝘢 » 𝘉𝘖𝘕𝘕𝘌 𝘈𝘊𝘛𝘐𝘖𝘕: 𝙏𝘼𝙂𝙉𝘼𝙈𝘼𝙍𝙊 𝙉𝘼𝙉𝘼𝘿𝙄𝙊 𝙉𝙔 𝙃𝙊𝙋𝙄𝙏𝘼𝙇𝙔 𝗖𝗛𝗥𝗥 𝗔𝗠𝗕𝗢𝗔𝗡𝗔𝗧𝗢   𝗔𝘀𝗮𝗯𝗼𝘁𝘀𝘆 𝟬𝟯.𝟬𝟮.𝟮𝟬𝟮𝟰…