ZANDARIMARIA ANTSIRANANA : NANKALAZA NY ANDRO IRAISAM- PIRENENA HO AN’NY ZANDARIMARIA (2 APRILY 1969).

550 0
Androany Alakamisy 25 Aprily 2024 no vao nanamarika ny andro iraisam-pirenena ho an’ny ZANDARIMARIA ny teto Antsiranana
raha toa ka tokony tamin’ny faha, 02 Aprily 2024 no nanamarihana izany manerana nosy. Noho ny fandalovan’ny rivo-doza Gamane izay namela takaitra taty amin’ ny tendron’ny avaratra ny nosy no antony nanemorana ity hetsika ity araka ny fanazavan’ ny tomponandraikitra eo anivon’ny Zandarimaria Antsiranana.
 
Tonga nanome voninahitra ny Lanonana ny Préfet Antsiranana, ny solontenan’ny Governoran’ny faritra DIANA, ny Jeneraly kaomadin’ny ZDS Akarana, ny Jeneraly kaomandin’ny CIRGN, ny « Procureur générale », ny BIANCO ireo sivily sy ireo olona manan- kaja maro.
Ny lohahevitra tamin’ity taona 2024 ity dia ny hoe: Zandarimaria MAFI ( Miaro Antoky ny Fampandrosoana Ifotony).
 
Ny Fanomezana rà maimampoana na ( don du sang) natao tetsy @ CHU Place – kabary, ny fampisehoana n’y sary fampirantiana mirakitra ny tantaran’ny Zandarimaria eto Antsiranana sy ny asa vitany eo amin’ny sehatra iandreketany no tena nanamarika ny fankalazana.
 
Nangonin’i Sela FANAMBARANA

Related Post

𝗠𝗮𝗻𝗱𝗿𝗶𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮 – 𝗠𝗮𝗻𝗮𝗺𝗮𝗳𝘆 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗺𝗽𝗶𝗿𝗼𝗯𝗼𝗿𝗼𝗯𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗶𝗻𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗶𝗸𝗮𝗺𝗯𝗮𝗻𝗮𝗻`𝗻𝘆 𝗠𝗽𝗶𝗻𝗼 𝗦𝗶𝗹𝗮𝗺𝗼

Posted by - juillet 20, 2024 0
𝗠𝗮𝗻𝗱𝗿𝗶𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮 – 𝗠𝗮𝗻𝗮𝗺𝗮𝗳𝘆 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗺𝗽𝗶𝗿𝗼𝗯𝗼𝗿𝗼𝗯𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗶𝗻𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗶𝗸𝗮𝗺𝗯𝗮𝗻𝗮𝗻`𝗻𝘆 𝗠𝗽𝗶𝗻𝗼 𝗦𝗶𝗹𝗮𝗺𝗼 (𝖭𝗂𝖿𝗂𝖽𝗒 𝗂𝗓𝖺𝗒 𝗁𝗈 𝖿𝗂𝗅𝗈𝗁𝖺 𝗂𝗓𝗒 𝗂𝗋𝖾𝗈, 𝗏𝗈𝖺𝖿𝗂𝖽𝗒 𝗂 𝖠𝗅𝗒)…