Ampela Miray hina avy amin’ny Faritanin’ny Toliara, monina ao Toamasina: miezaka hatrany mampiseho ny firaisan-kina sy manaja ny fomba maha malagasy.
Toy izao ny ataonay rehefa manotrona ny vehivavy mpikambana ao aminay,izay namora ny zanany lahy.
Hafa ny fehivolo: vola izay fatorana amin’ny volon’ny maman’ilay zaza ho fiarahabana azy nahavita soa ny famoran-jaza.
Ilay vola apetaka amin’ny hazo iny no antsoina hoe « basy menaΒ Β»,atolotra ho an’ny zazalahy ho fitsofan-drano azy.
Izay no maha iray anay , mifanotrona na amin’ny tsara na amin’ny ratsy.
Tao amin’ny fikambanana Ampela Miray hina io no nianarako zavatra betsaka mahakasika ny kolo-tsaina.
Marihina moa fa ny AMITO dia ivondronan’ireo vehivavy rehetra avy any Toliara monina eto Toamasina, izay tarihin’i Rtoa Germaine .