VATOVAVY Mananjary | Nitsidika ny Fonjan’ny Mananjary ireo délégation avy amin’ny Ministeran’ny Fitsarana.

11 0

 Nandefa ny ekipany hamita iraka aty mananjary Ramatoa minisitry ny fitsarana ny alatsinainy 8 jona 2026 lasa teo.Nitarika ny delegation tamin’izany Atoa Tsaraleha Jean Arsène izay talen’ny kabinetran’ny Ministeran’ny Fitsarana sy ireo delagationina maro niaraka taminy.

Tao aorian’ny fihaonana tamin’ny mpiasan’ny fitsarana teto antoerana sy ireo vahoaka sasantsasany izay nitondra ny fitarainana dia tsikaritra fa ady tany no tena maro, izay tokony ho ady madio ka lasa ady heloka .

Taorinan’ izay dia nitsidika ny Fonja be an’ny Mananjary izy ireo,nandritra ny fitenenana nataon’ny solon-tenan’ny voafonja eo no nitondrany ny hetahetan’ny maro ny mba hanafangainana ny fitsarana hoan’ireo izay tsy mbola voatsara,ny fangatahana LP, ny transfert… Marihina moa fa 714 ny voafonja ka 45 ny vehivavy ary,27 ny Zaza tsy ampy taona ary 642 ny lehilahy,.Nahazo tombony moa ny voafonja vehivavy teto fa nanolotra lelabola 800000ar ireto délégation ireto hividiana kidoro.

Nankasitraka izao fitsifohana izao izy ireo ka nitondra ny teny hisaorana hoan’i Ramatoa minisitry ny fitsarana nandefa azy ireo Taty antoerana.

Nangonin’i Océane Elia – FDM Mananjary

Related Post