MANDRITSARA – MALAZA AMIN`NY FISIAN`NY TSENAN`OMBY SABOTSIBE

151 0
Mitondra lazan`ny distrikan`i Mandritsara ny fisian`ny tsenan`omby antsoina hoe Sabotsibe, tsena indroa isam-bolana. Mitondra tombony lehibe ara-piharian`ny mponina ny fisiany. Sehatra maro no voakasika, ny ara-jeografia ohatra dia ahitana fifandraisana betsaka, satria betsaka ny olana mivezivezy (Mananara, Maroantsetra, Soaneran`Ivongo, Andapa sns)
Manoloana izany dia nanomana hetsika ara-kolontsaina Festival Sabôtsibe, i Rabenaivo Laffont, zanaka Mandritsara. Efa miroso amin`ny andiany faha-4 ny hetsika. Natao hanomezana lanja ny sehatra ara-barotra indrindra ny fiompiana omby. Ao anatin`izay, betsaka ny hetahetan`ny mpiantsehatra amin`ny asa fihariana ity. Ilaina hoy ireo tantsaha ny fahazoana karazan`omby hafa mba ahazoana karazan`omby hafa. Eo ny fampitaovana amin`ny fotodrafitrasa anivon`ny tsena. Nilaza ny mpikarakara ny festival sabotsibe fa efa nanao zaka momba izany izy, izay iarahana manatanteraka amin`ny fanjakana mahefa.
Tontosa androany zoma 12 jona, ny lanonana fanokafana ny Festival Sabôtsibe andiany faha-4, tao amin`ny Tsenan`omby Ambohimandroso. Nisy ny laharambe nitety tananan`i Mandritsara, fikambanana maro no nandray anjara. Natao nandritra izany ny kabary ara-panjakana narahan`ny famelabelarana ny tantaran`ny Tsenan`omby « Sabôtsibe »
Tonga nanome voninahitra izany ny Solontenam-panjakana avy anivon`ny faritra Sofia, mpisehatra amin`ny Fiompiana sy Fambolena ary ireo mpitondra eto an-toerana. Manohana hetsika ara-kolontsaina ity ny Yas Madagascar, haharitra hateloana ny hetsika fankalazana afanain`ny mpanakanto maro toy Jaojoby, Wendy Cathalina, Kapepeky, Vaiavy Chila…

Related Post

𝐌𝐀𝐌𝐏𝐎𝐑𝐈𝐒𝐈𝐊𝐀 𝐍𝐘 𝐕𝐄𝐇𝐈𝐕𝐀𝐕𝐘 𝐇𝐀𝐍𝐃𝐑𝐀𝐘 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐀𝐈𝐊𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐑𝐀𝐇𝐀𝐑𝐀𝐇𝐀𝐌-𝐏𝐈𝐑𝐄𝐍𝐄𝐍𝐀 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐏𝐎𝐋𝐈𝐓𝐈𝐊𝐀 𝐍𝐘 𝐊𝐌𝐅/𝐂𝐍𝐎𝐄

Posted by - août 31, 2024 0
𝐌𝐀𝐌𝐏𝐎𝐑𝐈𝐒𝐈𝐊𝐀 𝐍𝐘 𝐕𝐄𝐇𝐈𝐕𝐀𝐕𝐘 𝐇𝐀𝐍𝐃𝐑𝐀𝐘 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐀𝐈𝐊𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐑𝐀𝐇𝐀𝐑𝐀𝐇𝐀𝐌-𝐏𝐈𝐑𝐄𝐍𝐄𝐍𝐀 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐏𝐎𝐋𝐈𝐓𝐈𝐊𝐀 𝐍𝐘 𝐊𝐌𝐅/𝐂𝐍𝐎𝐄 ᴢᴏᴍᴀ 30 ᴀᴏɢᴏsɪᴛʀᴀ 2024 ,ᴇғɪᴛʀᴀɴᴏ ᴍᴀʟᴀʟᴀᴋᴀ ɴʏ ғᴀʀɪᴛʀᴀ…