492 TAPITRISA EURO NATOKAN’NY U.E HANATSARANA NY FOTODRAFITR’ASA ENY AMIN’NY FITSARANA TAMIN’NY ALALAN’NY FANDAHARAN’ASA PIN SY NDICI.

161 0
Fanamafisana ny fiarahamiasa amin’i Madagasikara hanatsarana ny sehatry ny fitantanana sy ny tany tan-dalàna.Nanokana vola 492 tapitrisa Euro nanatsarana ireo fotodrafitrasa eny anivon’ny fitsarana ny vondrona Eoropeanina tamin’ny alalan’ny fandaharan’asa PIN( Programme Indicatif National sy ny NDICI.
Nampanarahana ny fenitra ireo fotodrafitrasa namboarina ireo mba hifanaraka amin’ny filàn’ny mponina.
Toeram-pitsarana 18 teto Antananarivo, Mahajanga, Toamasina ary Toliara arak’izany no nasiam-panatsarana mba ahafahan’ireo mpiasa manatanteraka ny asany araka ny tokony ho izy sy miaro irro antotantaratasy manan_danja.
Nisy ihany koa ny fanomezana fitaovana informatika hanamorana ny fitehirizana antontan_kevitta sy taratasin’ady samy hafa ary ny fanolorana fiara ho an’ny minisiteran’ny fitsarana sy Bianco ahafahana mivezivezy eny an_kianja hanamafisana ny asa atao amin’ny ady amin’ny kolikoly.
Nahafahana nanampy tamin’ny fanatsarana ny fomba fitantanana sy ny mangarahara teo anivon’ny fitsarana ity fandaharanasa ity.
Nangonin’i M.Elvina

Related Post

Nahazo Solosaina ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany ao Ambositra.

Posted by - mai 26, 2024 0
𝐅𝐀𝐍𝐎𝐋𝐎𝐑𝐀𝐍𝐀 𝐒𝐎𝐋𝐎𝐒𝐀𝐈𝐍𝐀 𝐇𝐎 𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐌𝐈𝐍𝐈𝐒𝐓𝐄𝐑𝐀 𝐅𝐎𝐈𝐁𝐄 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐓𝐒𝐀𝐑𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐌𝐁𝐀𝐑𝐀𝐓𝐎𝐍𝐆𝐀 𝐕𝐎𝐀𝐋𝐎𝐇𝐀𝐍𝐘 𝐀𝐎 𝐀𝐌𝐁𝐎𝐒𝐈𝐓𝐑𝐀 Zoma 24 mey 2024, ao anatin’ny ezaka…

Fankalazana ny Iray volan’ny Ankizy : Zo fototra ny fanana Kopia

Posted by - juin 10, 2024 0
𝗙𝗔𝗡𝗞𝗔𝗟𝗔𝗭𝗔𝗡𝗔 𝗡𝗬 𝗜𝗥𝗔𝗬 𝗩𝗢𝗟𝗔𝗡’𝗡𝗬 𝗔𝗡𝗞𝗜𝗭𝗬: 𝗭𝗢 𝗙𝗢𝗧𝗢𝗧𝗥𝗔 𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗡𝗔𝗡𝗔𝗡𝗔 𝗞𝗢𝗣𝗜𝗔. Ho fanokafan’ny Ministeran’ny Fitsarana ny fankalazana ny iray volan’ny ankizy…