π…πˆπ…π€ππˆππ€ππ€ π‡πˆπ€πƒπˆπ€ππ€ 𝐍𝐘 π‡πŽ π™π€π˜ π“πŽπŒππŽ-πƒπ€πŠπ€ 𝐍𝐘 π‹πˆπ†π˜ π•π€πŠπˆππ€ππŠπ€π‘π“π‘π€ 𝐓𝐀𝐑𝐀𝐍𝐉𝐀 ππ€π’πŠπ„π“ 𝐁𝐀𝐋𝐋

29 0
π…πˆπ…π€ππˆππ€ππ€ π‡πˆπ€πƒπˆπ€ππ€ 𝐍𝐘 π‡πŽ π™π€π˜ π“πŽπŒππŽ-πƒπ€πŠπ€ 𝐍𝐘 π‹πˆπ†π˜ π•π€πŠπˆππ€ππŠπ€π‘π“π‘π€ 𝐓𝐀𝐑𝐀𝐍𝐉𝐀 ππ€π’πŠπ„π“ 𝐁𝐀𝐋𝐋 | 𝐍𝐘 π“πŽπ„π“π‘π€ π‘π€π“π’π˜ π‡π€π…πˆπ“π’πŽπŠπ˜ 𝐍𝐘 πŒππˆπ“π’π€π‘π€ 𝐍𝐎 π‡π€ππˆπŒππ€ 𝐍𝐘 π‹π€π‹π€πŽ
—-
Notanterahina ny alahady 26 Mail, 2025 lasa teo, tao amin’ny Gymnase Vatofotsy ny fifaninana hiadiana ny ho zay tompo-daka ny Ligy Vakinankartra taranja Basket ball, sokajy lehilahy.
Ity lalao famaranana ity, izay nikatrohan’ny FFPRO-BVTM sy ny ANKATRA. Samy nanao izay fara-heriny sy fahai-manao hanany ny roa tonta mba hibatana ny fandresena, noho izany indrindra dia nisy fahadisoana goavana niseho teny ankianja, ka naharatrana ny Mpilalaon’ny ekipa FFPRO BVTM nanoloana ny ekipa ANKARATRA.
Noho io ratra sy dona mafy nianjady tamin’ity mpilalao ity, dia voatery nahiditra hopitaly mihitsy ny lehilahy, ary araka ny voalazan’i Mr Didy ALFA izay mpitarika ity ekipa FFPRO BVTM ity dia mbola eny amin’ny hopitaly io mpilalao io hatramin’izao ora hanoratanay izao.
Araka ny fanambaran’ny mpitarika ity ekipa ity ihany, dia misy ihany koa ny fitongilalana nataon’ireo mpitsara, indrindra fa ny mpitsara, izay tranga tena nampalahelo azy indrindra, ary noalzainy fa ho simba ny hoavin’ny basket-ball eto vakinankaratra raha izao no 𝐭𝐨𝐞𝐭𝐫𝐚 𝐫𝐚𝐭𝐬𝐲 𝐑𝐚𝐟𝐒𝐭𝐬𝐨𝐀𝐲 𝐧𝐲 𝐌𝐩𝐒𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚.
Noho izany indrindra no itondrany fitarainana hoan’y Mpitantana ny Ligy Basket-ball eto Vakinankaratra. Ankoatr’izay, dia nilaza ny tsy hilefitra amin’izao toe-javatra izao ny tenany.
Arahin-tsika eto ny tohiny …
Nangonin’i Lay Mahitsy

Related Post